Tranga

Fiara nitondra razana tra-doza: niara-maty ny vadiny sy ny rahalahiny

Maty tsy tra-drano ny vadin’ilay lehilahy ho alevina sy ny rahalahiny vokatry ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny RN7, teo amin’ny kaominina Andiolava, distrikan’Ihosy, omaly maraina. « Niala alina tao Ilakaka io fiara io ary ni­kasa hihazo an’Androy hitondra ilay razana », hoy ny fanazavan’ny kapiteny, kaomandin’ ny kaompania Ihosy. Naharay antso tampoka izy […]

Fanafihana teny Talatamaty : nohidina tanaty gabone ny tompon-trano

Nisy nanafika ny fianakaviana iray monina eny Ambo­rompotsy Talatamaty, omaly maraina. Lasan’ny olon-dratsy tamin’izany ny volabe miten­tina 6 000 000 Ar sy ny fira­vaka maromaro, ary finday. Tokony ho tamin’ny 8 ora maraina no nitrangan’izany, saingy efa ora roa taty aoriana vao nisy nampandre ny mpitandro ny filaminana, izay tsy lavitra eo. […]

Tratran’ny vela-pandrika : zandary roa maratra, jiolahy maty voatifitra 

Zandary roa naratra, vokatry ny fianjerana tamin’ny moto teny Anjanadoria, Ambohidratrimo. Tafiditra tamin’ny fandrika nataon’ny jiolahy izy ireo. Iray tamin’ireto farany kosa maty voatifitra. Naratra vokatry ny fianjerana tamin’ny moto ny kaomandin’ny brigadin’ Ambohidratrimo sy ny mpiara-miasa aminy iray, afakomaly maraina. Tafiditra tanatin’ny vela-pandrika nataon’ny jiolahy mpaka an-keriny izy ireo, […]

Antsakaviro : lehilahy tratra nangalatra tao anaty fiarana Jeneraly

Efa tsy mifidy hangalarina intsony! Voasambotra ny mpangalatra telefaonina nifahana tao anaty fiarana manamboninahitra iray teny Antsakaviro, omaly. Noraisim-potsiny teo am-pisokirana finday tao anaty fiara an’ny ma­nam­boninahitra iray ny mpandroba iray tetsy Antsakaviro, Boriborintany fahatelo, omaly. Nipetraka amoron-dalana ny fiara ka tsikaritry ny polisy ny fisian’io lehilahy io tao anatin’ […]