Nitrangana vonoan’olona mahatsiravina indray teo anoloan’ny toeram-pivarotana iray amin’ny lalana rarivato, Ankirihiry Toamasina, ny alarobia maraina teo. Tovolahy vao 27 taona ity nisy namono ity. Raha ny fitsirihana nataon’ny dokotera eo anivon’ny BMH, tsatok’antsy efatra no hita tamin’ny vatany, teo amin’ny tratrany sy ny sandriny havanana. Navelan’ireo nahavanon-doza teo amin’ny […]
Tranga
Vonoan’olona feno habibiana : mpiandry osy hita faty voatapa-doha
Voasambotry ny mpitandro filaminana ny telo lahy nanapa-doha tovolahy iray tao Amboasary Atsimo, afakomaly. Tovolahy iray 19 taona, mpiandry osy iray maty novonoin’ny jiolahy tamin’ny fomba feno habibina tao amin’ny kaominina Ifotaka, distrikan’Amboasary Atsimo, afakomaly. Mpamboly sy mpiompy ity niharam-boina ity ka teo am-piandrasana osy no nisy nikapa tamin’ny zava-maranitra ny lohany. […]
Ambohijanaka : mpangalatra niharan’ny fitsaram-bahoaka
Mpiambina iray “agent de sécurité” nangalatra moto ka nifanenjehan’ny fokonolona tao amin’ny kaominina Ambohijanaka, distrikan’ Antananarivo Atsimondrano, afakomaly. Mody niditra tao amina toeram-pitsaboana (CSBII) anatin’io fokontany io ilay lehilahy. Namonjy filaharana toy ny marary rehetra izy. Nahatsikaritra ny moto an’i dokotera nipetraka tao amin’ny efitra mitokana anefa io olon-dratsy io. […]
Avy naka « versement »: norobain’ny jiolahy ny vola 5 tapitrisa Ar
Indroa miantoana ny fanafihana teny Atsimondrano, omaly. Jiolahy efa-dahy nitaingina moto avokoa no nandroba tsena sy mpitondra moto teny amin’ny RN7. Lasan’ny jiolahy efa-dahy nanao taingin-droa tamin’ny moto ny vola “versement” nitentina 5 tapitrisa Ar avy nalain’ny mpanatitra fahana iray teny amin’ny RN7 teo Ambohibao, kaominina Bongatsara, omaly tolakandro. “Avy nanangona […]
Fanateram-boninkazo tao Toamasina : maro ny vy karakaram-pasana very
Mbola anjakan’ny asa ratsin’ireo jiolahy hatrany ny fasana, raha tsy hilaza afa-tsy ny fanararaotana rehefa vaninandro ny fahatsiarovana ireo efa nodimandry ny voalohan’ny volana novambra. Lasan’ ireo mpangalatra ny vy karakaram-pasana. Raha ny zava-nisy tao Toamasina nandritra ny fankalazana sy fahatsiarovana ny fanateram-boninkazo tao amin’ny fasana kaominaly Anjoma Toamasina, maro […]