Tamboho nirodana, olona telo mianaka maty nirodanan’ny tamboho tetsy Ilanivato Anosipatrana, ny sabotsy alina teo. Zazalahikely 8 taona avotra soamantsara. Nitrangana firodanana tamboho, nahafatesana olona telo mianaka sy naharatrana olona iray hafa, tetsy Ilanivato Anosipatrana, ny sabotsy, tamin’ny 11 ora alina. Nifatratra tao amin’ny trano hazo iray teo ambaniny, ny […]
Tranga
Vokatry ny fiakarana tosidra : Vazaha, 75 taona, iray hita faty tao an-tranony
Teratany vahiny iray, 75 taona, hita faty tao an-tranony, omaly tamin’ny 10 ora sy 30 minitra, tao amin’ny fokontany Ambohinambo, kaominina Ambanivohitra Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo. Maty teo am-pandriana natoriany sy nivoaka an-kilaoty izy io, rehefa nojeren’ireo tomponandraikitra. Naharay antso avy amin’ny sefo fokontany any an-toerana, mahakasika io tranga io, ny teo […]
Fanodinkodinam-bola: Lehiben’ny faritra teo aloha nigadra
Naiditra am-ponja ny lehiben’ny faritra Ihorombe teo aloha sy ireo olona efatra hafa niara-nitantana taminy, tamin’ity herinandro ity. Anisan’izany, ny mpitambola teo aloha sy ny mpitambola ankehitriny, ny mpanara-maso ny faritra ary ny mpanampy azy amin’ny fitantanam-bola. Voarohirohy noho ny fanodinkodinam-bolam-panjakana ny antony anenjehana azy ireo, taorian’ny fanadihadiana nataon’ny Bianco. […]
Very ny basiny : Zandary maty nofiraina famaky tao amin’ny hatony
Mirongatra ny asan-jiolahy, zandary iray kilasy ambony no maty novoinin’ny jiolahy tamin’ny famaky tany Imanombo, omaly. Lasan’ireo olon-dratsy ny basy teny aminy. Zandary kilasy ambony iray, antsoina hoe Rakotoky Fahamaro, hita faty teo anelanelan’ny fokontany Betsiriry sy Imanombo, ao anatin’ny kaominina Imanombo, distrikan’Antanimora Atsimo, faritra Androy, omaly tamin’ny 5 ora […]
Tamboho nirodana: Olona 2 maty, lehilahy iray hafa naratra
Tamboho iray nirodana, vokatry ny orambe tsy niato, tetsy Ambaranjana, fokontany cité Planton Ampahibe, afakomaly tamin’ny 11 ora alina. Nianjera tamin’ny trano iray ambany rihana, izay nahitana efitra telo, teo ambaniny izany, ka nahafaty renim-pianakaviana iray, 64 taona sy tovovavy iray 19 taona iray hafa. Natory tao amin’ny efitra iray […]