Tratran’ny polisy ao amin’ny sampandraharaha pasipaoro sy ny sampandraharaha misahana ny fanadihadiana manokana sy miady amin’ny fampiasana ireo antontan-taratasy hosoka (SCESLFD), ny faran’ny volana aogositra teo, ny lehilahy iray 52 taona. Nisandoka ho mpiasan’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola izy sady mahavita mikarakara taratasy hosoka hanaovana pasipaoro. Voasambotra ihany koa […]
Tranga
Nikasa hanenjika ny olon-tiany: lehilahy hita faty nisotro poizina
Namoy fo, lehilahy 24 taona hita faty teny amoron-tanimbary tao Andohavary Miarinarivo, omaly maraina. Hita faty nanamorona tanimbary ny lehilahy iray tao Andohavary Miarinarivo, omaly maraina. Mpandalo no nahatsikaritra ny vatana mangatsiakany. Mbola hita tsy lavitra io lehilahy namoy ny ainy io avokoa ny bisikileta, ny vola 5 000 Ar niampy […]
Nanafika tranona relijiozy… Jiolahy iray naratra tratran’ny fitsaram-bahoaka
Sendra ny nahay azy ! Naratra mafy niharan’ny fitsaram-bahoaka ny jiolahy iray nandritra ny fanafihana nataon’izy ireo tao Nandihizana, fokontany sy kaominina ambanivohitr’Ambohimasina, distrikan’i Betafo, afakomaly. Jiolahy telo nitondra famaky sy kibay no tafiditra tao an-tokotanin-dry masera rehefa avy nihanika tamboho. Ny mpanampin-dry masera no tratran’ireo jiolahy ka nasainy namoha varavarana. […]
Maroantsetra: zaza dimy volana saika kilan’ny afo
Kilan’ny afo ny fitombenan’ny zazalahy 5 volana tao Ankofabe Maroantsetra, afakomaly. Nifamonjen’ny mponina manodidina navotana tao anaty afo izy. “Tsy salama saina ny rain’io zaza io”, hoy ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritry ny zandarimaria ao Maroantsetra. Mbola nisotrosotro toaka anefa ilay raim-pianakaviana ny hariva. Nanampy azy koa ny vadiny. “Tsy fantatra anefa […]
Efa nigadra teny Antanimora: maty rotiky ny balan’ny polisy Raliva Be
Lavon’ny balan’ny polisy nandritra ny fifanenjehana teny 67 ha, omaly alina, Raliva Be. Jiolahy ikoizana amin’ny fanafihana izy ity… Nihorohoro ny mponina teny 67 ha sy ny manodidina nandritra ny fanenjehana an-dRaliva Be. Ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahafito (CSP7) no nifanehatra tamin’ireo jiolahy. Tany anaty elakela-trano no […]