Tranga

Niatontan’ny “balle friperie” : Zaza efa-taona maty roa lahy karohina

Maty tsy tra-drano! nianjeran’ny entana tao amin’ny fiantsonan’ny taksibrosy ny zazalahy iray, omaly. Voalaza fa tandrevaky ny mpampidina entana izany.Roa lahy ifampitadiavana. Nezahin’ireo nanatri-maso nentina namonjy toeram-pitsaboana, tsy tana ny ain’ny zazalahy efa-taona, tao Ankazondrano Fianarantsoa, omaly maraina. “Nampidina entana toy ny mahazatra ireo vatan-dehilahy mpanao izany. Nianjera ny “balle […]

Fisolokiana : enina mianadahy voasambotra

Tra-tehaky ny mpitandro filaminana ny vehivavy efatra sy lehilahy roa tao amin’ny fokontany Ankadinakanga, Tsiroanomandidy, omaly. Manao hosoka sady misandoka izy enina mianadahy ireto. Naharay angom-baovao avy amin’ny tsara sitrapo, malaza tao amin’ny faritra Bongolava ny fisiana tambazotra mpanao fisandohana. Mampiasa anarana tomponandraiki-panjakana misahana ny bokin’omby sy ny karapanondrom-pirenena izy […]

Adiny roa ny fisavana tao an-trano: renim-pianakaviana maty notifirin’ny jiolahy

Nirefodrefotra indray ny basy nandritra ny fanafihan-jiolahy tao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Mangabe Sahananto, distrikan’i Toamasina II, afakomaly tolakandro. Renim-pianakaviana iray maty voatifitra… Niditra an-keriny tao am-pivarotan’ny mpandraharaha iray ireo jiolahy sady nanapoaka basy tamin’io fotoana io. Tsy vitan’izay fa nandrahona ireo fokonolona teo amin’ny manodidina ihany koa izy ireo. Nandositra […]