Tranga

Analamahitsy: Pakistanais roa lahy voasambotra

Pakistanais roa lahy sy Ma­lagasy roa tra-tehaky ny mpitandro filaminana tetsy Analamahitsy, afakomaly. Na­hatrarana fototra zava-maniry tsy fahita afa-tsy eto Mada­gasikara an-jatony tao amin’ izy ireo. Nokasainy haondrana an-tsokosoko ireo harem-pirenena ireo. Mananika ny 1 tapitrisa dolara ny tombam-bidin’ ireto zava-maniry ireto, araka ny tatitry ny zandary nanao famotorana. Nahitana […]

Betroka : vehivavy hita faty voatapa-doha

Fatim-behivavy efa simba hitan’ny fokonolona nitsirara tao Andakana, distrikan’i Betroka, omaly maraina. Nana­tonan’ireo nanatri-maso, tsy teo amin’ilay vehivavy ity intsony ny lohany. Notapahana tamin’ny zava-maranitra izany. Niezaka namantatra azy ny iray tanàna. Potika tanteraka anefa ny vatan’io ramatoa io. Efa niala koa ny nofo tamin’ny tanany havanana. Nidina ifotony nijery […]

Nisarahan’ny olon-tiany : tovolahy 18 taona, namono tena

Maty nitelina poizim-boalavo ny tovolahy iray, omaly. Tsy nahazaka fisarahana niharo teny maharary nataon’ny olon-tiany taminy izy. Nividy poizim-boalavo telo fonosana, namoy ny ainy ny lehilahy iray 18 taona tao amin’ny fokon­tanin’i Morafeno, parisela 14/22, anatin’ny kaominina ambonivohitr’i Toamasina, omaly. Tsy nifanara-kevitra tamin’ny sakaizany izy. Tsy an’asa, tsy nahazaka ny […]

Nifanehatra tamin’ny polisy: zaza tsy ampy taona tratra namaky trano

Zazalahy iray tra-tehaky ny polisy nitondra fahitalavitra iray niampy kojakoja fampiasa amin’izany tao Mora­feno, Toa­masina, ny 1 aogositra teo. Nifanehatra tampoka tamin’ny mpitandro fila­minana nanao fisafoana alina ity mpangalatra ity. Nikasa handositra vantany vao na­hatazana ireo polisy io zazalahy io. Nasaina nijanona, nojerena ny teny an-tanana ka nahatrarana fahitalavitra iray. […]

Fanendahana : roa lahy nisandoka ho polisy voasambotra

Manakan-dalana amin’ny andro alina, tra-tehaky ny mpitandro filaminana ny roa lahy nisandoka andraikitra, tao Ta­nambao II, Toamasina, ny 2 aogositra teo. Miandry ireo mpan­deha alina, misandoka ho polisy izy mirahalahy ireto. Mijanona noho izany ireo sendra azy ireo kinanjo endahin’izy roa lahy avy hatrany. Mirifatra mandositra ireo olon-dratsy aorian’izay. Niantso […]