Tranga

Manafika fonja: mihantsy fanjakana ny vahoaka!

Fokonolona 500 eo ho eo, avy amin’ny fokontany roa, nitaky hamotsorana ny namany enina tao amin’ny fonjan’Ambatondrazaka, afakomaly alina, nitohy omaly atoandro. Tifi-danitra nisesisesy nataon’ny mpiandry fonja tao Ambatondra­zaka nanaparitahana ny fokonolona, afakomaly tamin’ny 8 ora alina. Nitaky ny hamo­tsorana ireo olona enina voasaringotra tamin’ny fitsa­ram-bahoaka ny mpanafika. « Ma­nodidina ny 500 izy […]

Ambohimangakely : mpitondra moto maty voadonan’ny taxi-be

Nitrangana lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalam-pirenena faharoa, PK 11+800, Andranomandry, fokontany Ambohitrombihavana, kaominina Ambanivohitra Ambo­hi­mangakely, distrika Antana­narivo Avaradrano, omaly tamin’ny 10 ora sy 15 minitra. Maty tsy tra-drano vokatr’izany ny mpitondra moto iray. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny zandary, notarihin’ny lehiben’ny tobim-paritra nanao ny fitsirihana rehetra, vantany vao naharay ny […]

Ampasanimalo : raim-pianakaviana maty nananton-tena

Lehilahy 23 taona, maty nihantona tao amin’ny trano fonenany tao Ambodimanga, fokontany  Ampasanimalo, boriborintany faharoa, omaly. Niala maraina handeha hiasa no nialany tao an-trano.  Niverina tampoka anefa izy. Nifanandrify tamin’io fotoana io, tsy tao an-tokantrano ny vadiny sy ilay zanany. Talanjona ilay renim-pianakaviana nahita ny trano nisokatra. Niditra, vatan’ny rain-janany […]

Renikely novonoina: nofiraina antsy teo amin’ny tendany

Fatim-behivavy efa mangana sy namoaka fofona hita nihidy tao an-tranony, tao Amparafaravola , ny alahady tolakandro teo. Voarasa antsy teo amin’ny tendany, mangana ary efa namoaka fofona ratsy ny vatan’ny vehivavy iray na­moy ny ainy tao fokontany  An­tanambao, kaominina am­ba­nivohitra  Ambatomainty. «Na­kapoka tamin’ny fandriana na­toriana mihitsy io vehivavy io raha […]

Halatra fiara sy fikasana hamono olona : voasambotra ireo 3 mianadahy tompon’antoka

Tra-tehaky ny polisy eo anivon’ny BC4 ny telo mianadahy, tompon’antoka tamin’ny halatra fiara sy fikasana hamono olona, ny faran’ny herinandro lasa teo. Nikasa hivarotra ny fiarany ny renim-pianakaviana iray avy eto Antananarivo. Nilaza ho na­hi­ta mpividy ny zaobaviny ka atao any Ambatofotsy na Imerinkasinina ny fanandramana ny fiara. Tsy nanaiky […]