Trangam-piarahamonina nampihoro-koditra tato ho ato ny fanapahan-doha. “Sorona ho fikatsaham-pahefana sy vola no voalaza fa anton’izany”, hoy ny zandarimariam-pirenena. Nidoboka am-ponja vonjimaika ny iray raha toa ka mbola hanaovana fanadihadiana lalina ny roa hafa, voasaringotra amin’ny fanapahan-doha ao Ihosy, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra eo anivon’ny polisim-pirenena ao an-toerana, omaly. Ny […]
Tranga
Ankaraobato : lehilahy maty notsatohan’ny sakaizany antsy
Nifampikasi-tanana, noleram-badiny antsy ka maty ny lehilahy iray, tetsy Ankaraobato, afakomaly alina. Efa nifamalivaly tamin’ny telefaonina, niafara tamin’ny tsindron’antsy namoizan’aina ny tsy fifankahazoan’ny vehivavy iray sy ny sakaizany, tao amin’ ny fokontany Ankadilalampotsy, kaominina Ankaraobato, ny alin’ny talata 25 jolay teo tamin’ny 7 ora hariva. Rehefa tonga tao an-trano ilay […]
Zava-mahadomelina : dimy lahy nahatrarana rongony
Dimy lahy saron’ny zandary nitondra rongony 12 gony tao Tarasambo, fokontany Marogoro, samy ao anatin’ny kaominina Beanana, distrikan’Ambatondrazaka, ny talata 24 jolay teo. Nanao fisafoana tampoka, nifanehatra tamin’ny roa lahy naneho fihetsika hafahafa ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Beanana. Natao famotorana, nitoroka ny namany sy ny toerana misy ireo […]
Nikasa hanavotra olona voatafika : mpamily taxi maty voatifitry ny jiolahy teo amin’ny lohany
Notifirin’ny jiolahy teo amin’ny lohany ny mpamily taxi iray teny Ankadindratombo, omaly hariva. Hanavotra vehivavy iray tomponandraikitry ny tranombarotra iray voatafika izy, kanjo izao voatifitra izao. Maty tsy tra-drano ny mpamily fiara taxi, 4L, iray teny Ankadindratombo, omaly hariva tamin’ny 7 ora, vokatry ny tifitra nataon’ny jiolahy teo amin’ny lohany. […]
Lozam-pifamoivoizana nahafatesana Skoto : mitaky ny fampiharan-dalàna ny fianakavian’ ilay zazalahy fito taona
Manoloana ny fahafatesan’ny zazalahy 7 taona nofaohin’ny fiara teo anoloan’ny hopitaly manara-penitra Morafeno, ny 23 jola y teo, mitaky ny hampiharana ny lalàna amin’ny mpitondra ny fiara ny fianakaviany. Araka ny angom-baovao, mandeha ny feo fa havoaka hody any an-tokantranony ilay renim-pianakaviana nitondra ilay 4×4, aorian’ny 48 ora nihazonana azy. […]