Saron’ny zandary ny rongony milanja 320 kg tao Ankazomahita, anatin’ny kaominina ambanivohitra Antsohihy, afakomaly. Nitondra roa gony avy ireo valo lahy no nifanehatra tampoka tamin’ny zandary. Nitotaly 16 ny gony nitondran’izy ireo ny rongony. Nahatazana ireo mpitandro filaminana nanao fisafoana, nirifatra nandositra ireo vantan-dehilahy. Nariany teo amin’ny sisin-dalana ireo entana. […]
Tranga
Laza adina nivoaka alohan’ny fotoana: Olona 10 mahery voasambotra
Mivoatra hatrany ny fanadihadiana rehetra taorian’ny baiko hentitra nomen’ny filohan’ny Repoblika amin’ny hanenjehana ireo tompon’antoka tamin’ny fivoahan’ny laza adina Bakalorea mialoha ny fotoana. Olona 10 mahery indray voasambotra… Fantatra izao fa olona efa 10 mahery no indray voasambotra, voasaringotra ho anisan’ny tompon’antoka tamin’ity raharaha fivoahan’ny laza adina Bakalorea mialoha ny […]
Saika matin’ny fitsaram-bahoaka… : nokaramaina 30 000Ar ireo jiolahy hanaparitaka vola sandoka
Tsy milamina intsony ny tanàna! Miparitaka izaitsizy indray ny vola sandoka amin’izao fotoana izao. Any amin’ireo lanonana sy tsena any ambanivohitra no tena hanaparitahan’ireo olon-dratsy ireny vola sandoka ireny. Voasambotry ny fokonolona tao Ambatomena fokontany sy kaominina ao ihany ny vehivavy iray sy ny anadahiny, niaraka tamin’ny vola sandoka, afakomaly. […]
Halatra vy an’ny Jirama : telo lahy naiditra am-ponja
Natolotra ny fampanoavana, afakomaly, ireo jiolahy telo voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny halatra vy amin’ny andrin-jiron’ny orinasa Jirama. Naiditra am-ponja vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora izy telo lahy taorian’izay. Ny 15 jolay 2023 izy ireo no voasavan’ny zandary teny amin’ny lalam-pirenena faharoa, tao anaty fiara fitateram-bahoaka mampitohy an’Ambanitsena sy Mahazo. Nahazo antso […]
Poa-basy indimy : mpianadahy nataon’ny jiolahy takalonaina
Jiolahy 15 lahy nirongo fitaovam-piadiana naka takalonaina roa. Rovitry ny bala ny sofin’ny raim-pianakaviana iray. Raikitra ny sakoroka tao Bakaro, fokontany Mahatsara, kaominina Soalazaina, distrikan’Ambatondrazaka, afakomaly alina. Lasan’ny jiolahy an-keriny ny lehilahy iray sy ny anabaviny tamin’ny 9 ora sy 43 minitra alina. Nirongo basy, niditra an-keriny tao amina tokantrano iray […]