Tranga

Naiditra am-ponja… : lehilahy tratra nangalatra vary iray gony

Na dia noana aza ve…? Naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjan’Ambato­lampy ny lehilahy iray tratra namaky trano, tao amin’ny fokontany Ambanimaso, kaominina ambonivohitr’Amba­tolampy, ny faran’ny herinandro teo. Tafiditra tao an-trano tokoa ity jiolahy ity ka lasany ny vary iray gony 50 kg nipetraka tao an-trano. Lasa nitsoaka avy hatrany izy […]

Fandrobana amin’ny RN5 : 6 mianadahy mpamaky kamiao voasambotra

Miseho lany tao anatin’ny andro vitsy ny famakiana fiara kamiao mitatitra entana amin’ iny lalam-pirenena fahadimy iny. An-tapitrisany ny entana voaroba anatin’ireo kamiao lasibatra rehefa mandalo amin’ ny lalan-dratsy. Enina mianadahy voasambotra vokatry ny hetsika ataon’ny mpitandro filaminana. Maka entana amin’ny gony hatramin’ny mo­to anaty kamiao, saron’ny mpitandro filaminana ny […]

Farafangana : nidiran’ny jiolahy ny faritry ny oniversite

Natolotra ny fampanoavana ka naiditra am-ponja ireo jiolahy voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fa­nafi­hana tao amin’ny Oni­ver­site Fara­fan­gana. Raha ny tatitra nampny polisy, ny 2 mey 2023 alina, tao Bevoa Fara­fangana, fokontany Mahatsa­ra Atsimo, na­hazo antso avy amin’ny tomponandraikitra ao amin’ny oniversite ao Fa­rafangana ny polisy fa misy olon-dratsy tafiditra ny […]

Efa nahazo 10 m: jiolahy tratra teo am-panapahana taribin-jiro

Tsy eto an-drenivohitra ihany! Nahatratra jiolahy iray teo am-panapahana taribin-jiron’ny Jirama ny zandary raha sendra nanao fisafoana tampoka tao amin’ny fokontany Ampasikibo/ To­liara I, ny alahady alina tamin’ny 11 ora. Nosambo­rina avy hatrany ity jiolahy ity, hita nandritra ny fisavana azy ny famaky iray niaraka tamin’ny kitapo nisy taribin-jiro mirefy […]

Sabotsy Namehana : tratra nivarotra rongony i Papelika

Efa mpivaro-drongony mampitaraina ny manodidina, voasambotry ny mpitandro filaminana teo amin’ny fihan­tsonan’ny taksibrosy, Sabotsy Namehana, i Papelika, omaly. Ataony anaty fonosana am-polony ny rongony amidiny. Jifain’ireo mpidoroka amin’ny sarany 500 Ar hatramin’ny 5 000 Ar izany. Naharay fitarainana tamin’ny olona manodidina tsara sitra-po ny mpitandro filaminana. Nanao ve­la-pandrika, tra-tehaka teo […]