Tranga

Ambatofinandrahana : basy telo mahery vaika naverin’ny fokonolona

Natolotry ny fokonolona teo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ny basy mahery vaika miisa telo tao an-tanànan’i Soafianara, Manota, fokontany Ianako­na, kaominina Fenoarivo, distrikan’ Ambatofinandrahana, ny zoma 2 jona teo. Ho fisorohana ny tsy fandriam-pahalemana, nanao be midina ny zandary miisa valo, niampy miaramila 5 ao an-toerana. Nanao diabe nitety tanàna izy […]

Filan-dratsy: mpiandry omby vao 12 taona nanolana ankizivavikely

Voasambotry ny zandary ny tovolahy iray 12 taona, nanolana zazavavy vao 8 taona, zanaky ny mpampiasa azy , afakomaly. Tratra ihany! Noraisim-potsiny ny zazalahy nanolana sady nandrahona ho faty ny zazavavy 8 taona zanaky ny mampiasa azy tao Anjiajia, kaominina Ankerika, distrikan’Antso­hihy, afakomaly. Mpiandry ombin-drain’io zazavavy io izy, niasa tao […]

Tsy mifidy intsony… : roa lahy tratra nangalatra cageot feno zava-pisotro

Noraisim-potsiny! Hatolo­tra ny fampanoavana ireo jiolahy roa tratra teo am-pangalarana cageot feno zava-pisotro sy elobe tamina toeram-pivarotana iray eny Betongo­lo, omaly. Nahasambotra azy ireo ny polisy avy ao amin’ny boriborintany fahatelo (CSP3), Antaninandro. Naharay fitarainana avy amina mpivarotra iray eny Betongolo izy ireo, omaly, milaza ny fisiana lehilahy roa nangalatra […]