Tranga

Tapakala – Toamasina : Raim-pianakaviana natelin’ny ranomasina

Raim-pianakaviana iray tra-doza natelin’ny ranomasina tao Tapakala, anatin’ny kominina manakaiky tanàna Toamasina ambanivohitra, tokony ho tamin’ny 3 ora tolak andro sy 50 minitra, ny alahady 9 febroary teo. Hatramin’ny fotoana hanoratana ny lahatsoratra, mbola tsy hita izay misy azy. Manao ny fikarohana kosa ny rehetra indrindra ireo fianakaviana sy ireo […]

Famonoan-tena: Renim-pianakaviana hita faty nihantona

Vehivavy 24 taona hita faty nihantona tao amin’ny trano fonenany tao amin’ny kaominina ambanivohitra Ma­nambolosy, distrikan’i Ma­nanara Avaratra, afakomaly. Nofatoran’io renim-pianakaviana io tamin’ny hazon-tafo ny lamba mahazaka tao aminy. Nahodiny tamin’ny faritry ny tendany izany. Na­nampitra ny ainy io tady nahantony io. Mponina manodidina azy ireo no nahatsikaritra fisian-javatra hafahafa. […]

Tsy fandriampahalemana : Mirongatra ny hala-boty isan-karazany

Mirona amin’ny fanaovana hala-boty isan-karazany ny ankamaraon’ireo mpanao asa ratsy any amin’ireo kaominina maro samihafa eto amin’ny Nosy. “Nirongatra izany tao anatin’ny iray volana izay, ho an’ny distrikan’Ambohidratrimo manokana”, hoy ny solombavahoaka voafidy any an-toerana, Rakotoarisoa Johnny. Anisan’izany, ny halatra akoho, kisoa, omby, mangahazo sy ny maro hafa. Vao nahitana […]

Nandroba 8 tapitrisa Ar : Roa lahy naiditra am-ponja vonjimaika

Naleon’izy roa lahy nigadra toy izay nanambarana izay nanafenana ny vola. Nanafika mpanao Cash point, teny Alasora izy ireo. Nandalo fampanoavana, ny faran’ny herinandro teo, ka naiditra am-ponja vonjimaika. Nifanenjehan’ny fokonolona sy ny zandary, roa lahy tompon’antoka tamin’ny fandrobana Cash point teny Androka, kaominina Alasora, tra-tehaka ny 5 febroary teo. Nitondra […]

Valifaty tsy tontosa : Olona telo voasambotry ny zandary

Nosamborin’ny zandarimaria eo anivon’ny tobim-paritra Ambohimangakely ireo telo mianadahy atidoha nikasa hanao fakana an-keriny, ny 6 febroary teo. Zazalahy 4 taona zanak’olona fantatr’ireo olon-dratsy nokasainy hatao takalonaina. Niantso tamin’ny alalan’ny finday, nitaky lelavola 40 tapitrisa Ar tamin’ny renin’io zaza io ireo mpiray tsikombakomba. Nitohy ny fampitahorana fa alain’izy ireo any […]