Tranga

Olona iray voasambotry ny zandary: Zana-tsokatra 45 isa nokasaina haondrana

Voasambotry ny zandary tany anaty ala manakaiky ny fokontany Ianademby, kaominina ambanivohitra Tranovaho, distrikan’i Beloha, omaly ma­raina tokony ho tamin’ny 02 ora sy 30 minitra, ny lehilahy iray, 20 taona. Nikasa hanondrana zana-tsokatra manodidina ny 45 isa, izay biby voasokajy arovana izy. Efa nikasa hivoaka ilay toerana ny tenany niaraka […]

Hala-jaza teny Ankazomanga: Vehivavy iray nalefa eny Anjanamasina

Niakatra fampanoavana afakomaly, voaporofo fa manana olana ara-tsaina ka nalefa notsaboina eny amin’ny hopi­talin’Anjanamasina ny vehivavy iray. Niditra an-tsokosoko tao amin’ny tokantrano iray teny Ankazomanga izy. Zazalahy 9 taona nijanona irery tao amin’ny trano nidiran’io vehivavy io. Nikorontana ny manodidina noho ny fisian’ny tranga hala-jaza tato ho ato. Nosamborina ilay […]

Nitaky 15 tapitrisa Ar : Zaza 12 taona nalain’ny zaodahiny an-keriny

Novonoin’ny zaodahiny ny zazalahy 12 taona, tao Belo­baka, Tsiroanomandidy, afakomaly. Notakian’ilay vinanto lahy 15 tapitrisa Ar ny rafozany. Nihady votry hatao sakafon’akoho ity lasibatra no tsy hita intsony. Nitady azy ny fianakaviany, nametraka fitarainana teny anivon’ny manam-pahefana. Naharay hafatra miafina tamin’ny alalan’ny finday anefa ny reniny, ny alin’io andro nahavery […]

Soavinimerina : Olona fito voasambotra

Voasambotry ny polisim-pirenena tamin’ny alahady ny olona fito mianadahy niray tsikombakomba tamin’ny fikasana hanatanteraka fanafihana sy vonoan’olona tao Soavinime­rina, distrikan’Avaradrano. Naneho fihetsika mampiahiahy tamin’ny olona lasibatra izy ireo. Naka sary sy nanara-maso hatrany ny fivezivezen’ilay saika horobaina. Nirahin’ny ramatoa iray voalaza ho atidoha tamin’ny fikonokononana vonoan’olona ireto manara-maso. Napetraka ny […]