Nosamborin’ny mpitandro filaminana ireo roa lahy nampiasa sady nanaparitaka vola sandoka mitetina 4 260 000 Ar, tao amin’ny fokontany Amboanio, kaominina Farafangana, ny alin’ny zoma 24 avrily teo. Naharay fampahafantarana avy tamin’ny tsara sitrapo ny polisy fa misy olona manaparitaka vola sandoka ao an-tanàna. Miisa roa ireo olona ireo ary saika vola […]
Tranga
Antsampandrano: Mpangalatra moto naiditra am-ponja
Niakatra fampanoavana teo anivon’ny fitsarana, naiditra vonjimaika any am-ponja, ny lehilahy iray nangalatra moto tao Antsofinondry, distrikan’Avaradrano, ny zoma 24 avrily teo. Nitrangana halatra moto tao an-toerana, ny alatsinainy 20 avrily. Nentin’ny olon-dratsy ny moto marika Kymco GP. Nametraka fitoriana teny amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana ny tompon’ny moto very. Niroso […]
Voaroba ny volabe an-tapitrisa : Mpivady novelesin’ny fito lahy nisaron-tava tamin’ny “bois ronds”
Voa teo amin’ny lohany, taorian’ny daroka nataon’ireo olon-dratsy azy, ny raim-pianakiaviana iray sy ny vadiny, tao Verrerie, kaominina Toamasina, omaly maraina. Lasa ny vola 4 tapitrisa Ar. Jiolahy fito niditra an-keriny tao amin’ny tokantrano iray tao amin’ny fokontany Verrerie, kaominina Renivohitra Toamisana, omaly maraina tamin’ny 1 ora. Nitondra hazo « bois […]
Indroa nanolana ny zanak’anabaviny: Lehilahy naiditra vonjimaika any am-ponja
Tratra teo am-panaovana ny filan-dratsiny, nentin’ny fianakaviany teny anivon’ny biraon’ny mpitandro filaminana ny lehilahy iray 33 taona nanolan-jaza tetsy Ankadindratombo, kaominina Alasora, afakomaly. Ankizivavy 8 taona, zanaky ny anabavin’io lehilahy io ihany no naolany, araka ny fanazavana voaray avy amin’ny mpitandro filaminana misahana ny fanadihadiana. «Nidiran’io lehilahy io tao an-trano […]
Nihotsahan’ny tany tanaty kariera : Roa lahy mpitrandraka vato maty
Nozeran’ny tany, tsy tana ny ain’ny mpitrandraka vato roa lahy tao amin’ny karieram-bato tao amin’ny fokontany Marojao, kaominina Andranomiely Atsimo, ny alarobia 22 avrily teo. Niasa tao amin’io toerana io ireo mpitrandraka. Niharan-doza tampoka anefa izy ireo rehefa nidina tany anaty lavaka mirefy 4 metatra. Nianjera tampoka ny tany manodidina […]




