Tranga

Sarin’ady “Ivondro 2023”: nifampizara fahaiza-manao ny Tafika Malagasy sy Frantsay

Vita soa aman-tsara ny sarin’ady “Ivondro 2023”, notanterahina tao Toamasina sy Nosy Boraha (Sainte-Marie). Nifarana , omaly, ny fifampizarana traikefa teo amin’ny miaramila malagasy sy frantsay. Nifarana , omaly , ny fanazaran-tena iraisam-pirenena “Ivondro 2023” notantera­hin’ny Tafika Malagasy niaraka tamin’ny Tafika Fran­tsay, tao Toamasina sy Nosy Boraha. Arivo mahery ireo […]

Halatra omby : dahalo sarona niaraka tamin’ny basy

Voasambotra niaraka ta­min’ny basimborona, marika Baikal Calibre 12 tsy misy taratasy, ny dahalo iray tao Am­batoabo Soaranoninan­droa, fokontany Agnena, kaominina Beahitsy, distrikan’ Ampanihy Andrefana , afakomaly. Nanao hetsika manokana ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Sarona niaraka tamin’io basy io ity dahalo ity. Nahitana moara niampy fitaovana fampiasany rehefa ma­nao ny […]

Ampasanimalo: jiolahy tratra teo am-pianihana tranon’olona

Mahita hirika ihany! Ni­fa­nehatra tamin’ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria boriborintany faharoa (CSP2) Ambo­hijatovo ambony, teny Ampa­sanimalo Ankorahotra, afakomaly, ny jiolahy iray nikasa hanatanteraka vaky trano. Toy ny fanao mahazatra, nanatanteraka fisafoana an’elakela-trano amin’iny faritra iny ny polisy ka nifanehatra tamina jiolahy. Teo am-pianihana tranon’olona izy no nalain’ny polisy teo […]

Seranam-piaramanidina Ivato : tratra ireo jiolahy nitondra vola vahiny sandoka

Nidoboka eny amin’ny fonjan’Antanimora ireo olona dimy tompon’antoka tamin’ ilay raharaha fitondrana vola sandoka tratra tao anaty seranam-piaramanidina Ivato, afakomaly. Raha ny tatitra voaray avy amin’ny zandary, vola vahiny sandoka mitentina 500 euros roa no tratran’ireo zandary misahana ny seranana iraisam-pirenena Ivato. Nentin’ireo jiolahy saika hatakalo tao amin’ny toerana fanakalozam-bola […]

Maty voatifitra i Zamena : basilava iray azon’ny zandary

Maty voatifitry ny zandary nandritra ny fifandonana tao amin’ny kaominina Etrotroka distrikan’i Farafangana , afakomaly, ny dahalo raindahiny antsoina hoe Arimanga fantatra amin’ny anarana hoe Za­mena. Nahazo antso ny zandary fa misy dahalo maromaro mivory ao Tanambao, fokontany Mahamasy. Nidina tany an-toerana ny mpitandro filaminana ka voamarina tokoa ny fisian’ireo […]