Nampiasain’ny renim-pianakaviana iray ho fitaovam-pitadiavam-bola ny zanany roa tao Mandritsara, ny alarobia 23 oktobra teo. Nolazainy fa nisy naka an-keriny izy mianadahy kely ka mila volabe vao avotra. Fahasarihanana sady fitiavam-bola tafahoatra! Voasambotry ny mpitandro filaminana ny renim-pianakaviana iray sy lehilahy niray tsikombakomba aminy noho ny fanaovana sarintsarina fakana an-keriny, […]
Tranga
Saika hamidy : ankizy varira iray avotry ny zandary
Sarona tao anaty vela-pandriky ny zandary tao Anilobe Vohitrambo, distrikan’i Vangaindrano, ny alatsinainy teo, ireo mpaka an-keriny, tompon’antoka tamina fakana an-keriny ankizy varira iray. Lasan’ireo dahalo mpaka an-keriny ny sabotsy 12 oktobra 2024 lasa teo ity ankizy varira valo taona ity, tao Mahitsy, fokontany Fotsivato Lohafary, Vangaindrano. Niroso tamin’ny fikarohana […]
Fanapohana solika : olona 24 nahatrarana solika 761 410 litatra
Nahatrarana lasantsy 750 000 litatra niampy gazola 11 410 litatra, olona 24 natao famotorana teny amin’ny sampam-pikarohana heloka bevava Fiadanana, ary natolotra ny fampanoavana omaly. Naharay fitarainana tamin’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo fa misy tambajotra mpanapoka solika sy mivarotra izany antsokosoko ao Toamasina. Nidina ifotony tamin’ny toerana voatondro ny zandarimaria. Trano […]
Nakorontana ireo razana : fasana efatra novakian’ny jiolahy
Razana miisa telo vao nalevina tsy ela no hany sisa tsy nosavoritahan’ny jiolahy tao Bemananony, fokontany Ampangabe, kaominina Ambalavao, distrikan’Antananarivo Atsimondrano, afakomaly. Olon-tsotra handeha ho any an-tsaha vao maraina no nahatsikaritra fasana nisokatra. Taitra, nampandre ny manodidina izy. Nojerena ny fasana kinanjo efa niparitaka avokoa ny razana. Nozahan’ny mponina koa […]
Mihantsy Polisy sy zandary: jiolahy fito maty voatifitra
Samy tsy nitsitsy ! Mihantsy polisy sy zandary ny jiolahy. Vokany, maty voatifitry ny mpitandro filaminana tao anatin’ny indray alina ny olon-dratsy miisa fito. Samy nitrangana fanafihan-jiolahy mahery vaika avokoa tao an-tampon-tanànan’i Toamasina I sy Toamasina Suburbaine, distrikan’i Toamasina II, afakomaly sy omaly. Ho an’ny tao Toamasina tampon-tanàna, tao amin’ny fokontany […]





