Lavon’ny balan’ny zandary, nandritra ny fifandonana, ny dahalo raindahiny fantatra amin’ny anarana hoe i Noromanga, tao Andramasina, ny faran’ny herinandro teo. Nahazo loharanom-baovao momba ity dahalo ity ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Behenjy fa mihaodihaody ao Bemasoandro, kaominina ambanivohitr’i Behenjy, distrikan’ Ambatolampy, izy tamin’io fotoana io. Nanao vela-pandrika ny […]
Tranga
Vehivavy nidoboka am-ponja : olona fito voasoloky 21 tapitrisa Ariary
Vehivavy iray anatin’ny tambajotra misandoka ho mpandefa mpiasa any Canada, naiditra am-ponja ny 18 oktobra lasa teo. “Tao amin’ny tambajotran-tserasera facebook no nahalalako io rangahy io, ny 17 desambra 2023”, hoy ny fanazavan’ny renim-pianakaviana iray lasibatra. Resy lahatra tamin’ny fampanantenana nomena azy io ramatoa io fa afaka hiasa any ivelany […]
Tsenan’Andravoahangy : jiolahy tratra teo am-panendahana
Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny boriborintany fahatelo (CSP3) Antaninandro, ny alahady teo, ireo jiolahy sivy malaza ratsy amin’ny fanendahana sy fanaovana sinto-mahery. Maro ireo mpivarotra sy mpiantsena mivezivezy ao amin’ny tsenan’Andravoahangy no mitaraina amin’ny hamaroan’ireo mpanao sinto-mahery sy mpangarom-paosy. Manoloana izany, nanao hetsika manokana ireo polisy miasa ao amin’ny […]
Nitakiana 10 tapitrisa Ar: Zazalahy maty novonoin’ ny sakaizan-dreniny
Atidoha tamin’ny fakana an-keriny sy famonoana ho faty ny zazalahy 11 taona teny Tanjombato, ny alin’ny sabotsy 19 oktobra teo, ny sakaizan-dreniny. Nitaky vola 10 tapitrisa izy. Namoy ny ainy vokatry ny hetraketraky ny sakaizan-dreniny ny zazalahy 11 taona, taona fahenina “6 ème”, tetsy amin’ny secteur III, fokontany Ambohimanatrika, kaominina […]
trafikana zava-mahadomelina : Malagasy roa sy maorisianina iray tratra
Naiditra am-ponja vonjimaika ao Mahajanga ireo Malagasy roa voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fanaovana trafikana zava-mahadomelina mahery vaika. Mbola ao anatin’ny fanadihadiana kosa ny teratany maorisianina iray tratra niaraka tamin’izy roa lahy ireo. Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’i Mahabibo (CSP2) sy ireo sampana miady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina ao Mahajanga, […]





