Tranga

Fanamboarana pasipaoro : olona 4 voasambotra

Nisy fofon-toaka ireo roa lahy tamin’ireo olona efatra mpanakorontana filaharana hanao pasipaoro voasambotry ny mpitandro filaminana tetsy Anosy, afakomaly. Milahatra vao maraimbe ireo mpangataka pasipaoro . Amin’ny 3 ora sy sasany maraina izy ireo dia misy milaza tonga eny an-toerana. Vokatr’io filaharana io anefa, miady handeha aloha ireo olona sasany […]

Andavamamba sy Analakely : jiolahy roa rotiky ny balan’ny polisy

Nirefodrefotra ny basy nandritra ny fifanenjehana teo amin’ny mpitandro filaminana sy ny jiolahy tetsy Andavamamba sy Analakely, afakomaly alina. Jiolahy raindahiny roa mpamerin-keloka maty. Hatairana ny naharenesan’ny mponina eny An­davamamba ny poa-basy nahafatesana jiolahy raindahiny, ny alin’ny alakamisy, tamin’ny 7 ora sy sasany mahery teo. Efa nifanenjehan’ny mpitandro filaminana avy […]

Itaosy: lehilahy maty voatsatok’antsy

Maty voatsatok’antsy teo amin’ny tendany ny lehilahy iray mpanao taxi-moto tetsy Itaosy, ny alatsinainy hariva teo. Ny harivan’io andro io, ni­tondra moto fampiasany isan’ andro ity lehilahy ity. Nahita azy anefa ireo tsy mataho-tody ka nanatsatoka antsy azy avy hatrany. Naratra mafy teo amin’ny tendany io mpitondra taxi-moto io. Niezaka nanavotra […]

Ambohitsiroa : mirongatra ny mpivarotra rongony

Tsy voafehy! Olona enina (mpivarotra sy mpifoka rongony) indray voasambotry ny polisy miady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina (Stup), teny Ambohitsiroa Ambohidratrimo, afakomaly. Nahazo loharanom-baovao ny polisy momba ny fisiana mpivarotra sy toerana fidorohana rongony eny amin’iny faritra Ambohitsiroa iny. Nanao ny vela-pandrika ka tratra teo am-pivarotana rongony ny lehilahy iray. Rehefa […]