Navotsotry ny zandary, omaly, ireo mpampianatra roa, voasambotra nandritra ny hetsika fitakiana nataon’ny sendikà eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny alatsinainy lasa teo. Tonga teny amin’ny Sampana fikarohana heloka bevava, eny Fiadanana, nanontany ny antony nisamborana ireo mpikambana roa lahy ireo sendikà, omaly. Fotoana nahafahana nanao ny hetsika firaisankina sendikaly, mba […]
Tranga
Taksiborosy voatafika : Voafira antsy ilay mpandeha
Naratra teo ambany heliny, nofirain’ny mpandroba antsy ny lehilahy iray, raha toa ka voavely kibay ilay vehivavy, teny amin’ny RN4, 12 km miala an’i Maevatanàna, ny alin’ny alahady 2 febroary tamin’ny 11 ora alina. Niainga avy any Mahajanga, nifanao aloha sy aoriana ny taksiborosy miisa roa. Nosakanan’ny olon-dratsy tampoka teny […]
Saika hanafika teo Ambanidia: dimy mianadahy voasambotry!
Nosamborin’ny polisy teo Ambanidia, omaly, ny dimy mianadahy, mpanao fanafihana. Nikasa handroba Cash point izy ireo. Ahina ho isan’ny nitifitra ilay mpanakalo vola vahiny teny Analakely ihany koa. Vehivavy iray sy lehilahy efatra niara-voasambotry ny polisin’ny UIR sy ny avy eo anivon’ny CSP2 tetsy Ambanidia, omaly maraina. Naharay loharanom-baovao marim-pototra, […]
Nandeha nandro fa nafana : Renim-pianakaviana norobain’ny jiolahy, lasa ny 10 tapitrisa Ar
Trangana fanafihana mitam-piadiana roa samy hafa indray no niseho tao Toamasina tamina fokontany roa, ny zoma alina teo. Voalohany, tao Ambohijafy Avaratra, parisela 14/31, renim-pianakaviana iray mpivarotra trondro no niharan’ny fanafihan-jiolahy. Maka trondro avy any Antsiraka Soanierana Ivongo izy ka mivarotra izany ao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Sahambala hatrany Mangabe Sahanato, distrikan’i […]
Namira antsy raim-pianakaviana : Jiolahy roa voasambotra, karohina ny namany
Tra-tehaky ny zandarimaria teny Ambohimangakely, omaly, ny jiolahy tompon’antoka tamin’ny famirana antsy raim-pianakaviana iray. Naratra mafy, tataky ny zava-maranitra, ny tarehin’io lehilahy lasibatra io rehefa izy hamonjy fodiana niaraka tamin’ny vady aman-janany teny Mahazo, ny alin’ny 30 janoary, tamin’ny 11 ora alina. Nametraka fitoriana izy taorian’ny fitsaboana. Nifanindra an-dalana tamin’izany, […]