Tranga

Antehiroka : Lehilahy hita faty nivoa-dra ny orony

Lehilahy 37 taona namoy ny ainy tao Andramiarana, fokon­tany Morondava, kaominina Antehiroka, ny 1 febroary teo, tamin’ny 12 ora sy fahefany. Mpandalo no nahatsikaritra olona nihohoka tamin’ny tanimbary mifanila amin’ny lakandranon’ Andriantany. Nampandre ny mpitandro filaminana avy hatrany io nanatri-maso io. Navoakan’ny fokonolona tao anatin’ny toerana voalaza ilay lehilahy. Nanao […]

TSELATRA

Lehilahy nahatrarana trondro 5 kg nalaina tao amin’ny farihin’i Masay, ny alin’ny sabotsy 01 febroary teo. Amidiny eny an-tsena vao maraina ireo entana ireo ka anisan’ny hanamparihany izany ny eny Behoririka. Nogiazana ireo trondro sy ny fitaovam-panjonoana toy ny harato teny aminy. Kilan’ny afo ny tranon’ny ben’ny Tanàna teo aloha […]

Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka : Tratra ireo telo lahy mpamaky fasana

Fasana lehibe fito sy fasana 12 hafa nasesin’ny olon-dratsy telo lahy novakiana tao amin’ny fokontany Manom­pana, kaominina Soanierana Ivongo, ny alin’ny alakamisy hifoha ny zoma 31 janoary teo. Nahare feon’alika nivovo tsy toy ny nahazatra ny raim-pianakaviana nonina tsy lavitry ny toerana nisy ny fasana tamin’ny 10 ora alina mahery. […]

Antanimena : Mpitondra moto maty tsy tra-drano

Nidona tamin’ny andrin-jiro, namoy ny ainy ny lehilahy iray nitondra moto marika Yamaha Cygnus I teo Antanimena, omaly alina tamin’ny 9 ora alina. Avy any amin’ny rond-point, nikasa hidina ny lalana mampitohy an’Ankorondrano io mpitondra moto io. “Nandeha mafy izy ka tsy nahafehy ny familiana intsony”, hoy ny fintataran’ireo nanatri-maso. […]