Tranga

Ankazobe: dahalo iray maty voatifitra tao anaty kizo

Maty voatifitry ny miaramila ao amin’ny ZDS Ikopa tao amin’ny kaominina Am­bolotarakely, afakomaly, ny dahalo gagilahy iray. Raha ny tatitra nampitain’ny kaomandin’ny ZDS Ikopa, nandritra ny fisafoana ireo kizo fieren’ny dahalo manodidina ny ta­nànan’Antaniditra Andrano­miady, kaominina Ambolo­tarakely, distrikan’Ankazobe no nahavoatifitra ity dahalo ity. Fantatra fa ao amin’io kizo io ireo […]

Brickaville : mpianadahy hita faty natsingevan’ny rano

Tranga mampahonena. Hita faty omaly teny amin’ny renirano Ivohitra ao Bricka­ville ireo mpianadahikely tsy hita popoka hatramin’ny alarobia tolakandro teo. Ta­min’io fotoana io, nandeha nanao maloto tsy lavitra ny fokontany Ambohimanarivo izy dahikely ireto. Vita izay, nandeha nisasa teny amin’ilay renirano voalaza etsy ambony ilay zazalahikely fito taona sy ny […]

Nanararaotra rivodoza: jiolahy iray lavo, dimy azo sambo-belona

Nanararaotra ny fandalovan’ny rivodoza, jiolahy iray maty voatifitra ary efa-dahy voasambotry ny polisy teo am-pamakiana «quincaillerie», tao Ampasambazaha- Fianarantsoa, ny alin’ny talata hifoha ny alarobia teo. Nifanehatra tampoka tamin’ny polisy manao fisafoana amin’ny alina ireto jiolahy mitam-piadiana, nikiry handositra avy hatrany ireto farany. Nasain’ny polisy nijanona saingy nanohy ny fitsoahana […]

Mpangalatra taribin-jiro : jiolahy 6 naiditra am-ponja

Olona enina tamin’ireo sivy tratra no naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjaben’Ambatondrazaka, omaly, raha nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny telo. Voarohirohy ho tompon’antoka tamina halatra taribin-jiro sy fitaovan’ny orinasa BETC Jiro kanto mpiara-miombon’ antoka amin’ny Jirama ireto tratran’ny zandary tao Tsa­rahonenana Ambatondrazaka ireto. Halatra niteraka fahatapahan-jiro matetika tany an-toerana. Misy […]

Fivarotana zava-mahadomelina: nizerianina iray nahatrarana “héroïne” 400g

Teratany vahiny faha-19 voasambotry ny zandarimariam-pirenena tao anatin’ny valo volana ity nizerianina tratra niaraka tamina “héroïne” 400g ity. Niakatra fampanoavana omaly ilay teratany nizerianina voasambotra teny Ambohimirary ny alahady teo. Tratra teny amin’ity teratany vahiny ity ireo “héroïne” milanja 400 grama. Saika hivarotra izany izy ary hanaparitaka ity zava-mahadomelina mahery […]