Voasambotry ny mpitandro filaminana, omaly, ireo jiolahy efatra anisan’ireo folo nandositra tao amin’ny efitrano nihazonana azy ireo natao andrimaso, tao Taolagnaro, faritra Anosy. « Jiolahy mpanafika Cash point ny telo. Niara-niasa ny ekipan’ny UIR eto an-toerana sy izahay zandary”, hoy ny fanazavan’ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritry ny zandarimaria ao Toalagnaro. Tratra ireo telo […]
Tranga
Sambaina : Tovolahy hita faty tao anaty rano
Hita afakomaly maraina tamin’ny 11 ora atoandro, tao anaty rano ny vata-mangatsiakan’ny tovolahy 17 taona, antsoina hoe: Sasah. Maty nalentiky ny rano tany Andranobevava Nanganehana Sambaina, distrikan’i Manjakandriana izy io, ny talata lasa teo. Nilomano tao amin’io rano io izy ny talata tamin’ny 2 ora tolakandro. Tsy nipoitra intsony anefa […]
Fandrobana tetsy Amboditsiry : Namidin’ilay mpiambin-tanàna 5 tapitrisa Ar ny basy
Olona telo nosamborin’ny polisim-pirenena noho ny halatra niaro famarotana fitaovam-piadiana mahery vaika, teny 67 Ha, afakomaly. Namidin’ilay mpangalatra 5 tapitrisa Ar ny basy. Tra-tehaky ny polisim-pirenana eo anivon’ny sampam-pikarohana heloka bevava teny 67 Ha ny lehilahy iray nangalatra fitaovam-piadian’ny mpampiasa azy, afakomaly. Nitrangana halatra tao amin’ny tranon’olon-tsotra iray teny Amboditsiry, […]
Ekar Md Jérôme Anosibe: Tsipahin’ny mpino ny fibodoana ny tanim-piangonana
Niverina nihenjan-droa ny tady eo amin’ireo mpino katolika etsy amin’ny fiangonana Md Jérôme Anosibe sy ny olon-tsotra mibodo ny tany. Niverina niakatra fitsarana afakomaly indray ny raharaha, telo taona taorian’ny nivoahan’ny didim-pitsarana, ny taona 2021. Resy ilay olon-tsotra. Nigadona teny an-toerana nanatanteraka ny didy navoakan’ny fitsarana ny vadintany sy ny […]
Notetezin’ny lamasinina : Tapaka ny tongotr’ ilay vehivavy
Nifamonjen’ny nanatri-maso, vehivavy iray naratra mafy voahosin’ny lamasinina teny amin’ny lalamby Androndrakely, omaly maraina. Tsy manam-ponenana matotra, mivezivezy eny amin’ny manodidina io ramatoa io, araka ny loharanom-baovao. Nitsirara teo amin’ny toerana manakaiky ny lalamby izy. Nisotro toaka io vehivavy io. Tavela teo aminy ny tavoahangy nisotroany. Nandalo tampoka anefa ny […]