Jiolahy enina sahady no efa lavon’ny balan’ny polisin’ny Fip tao Toamasina tao anatin’ny roa andro. Roa ny zoma alina hifoha asabotsy ary efatra ny alahady teo. “Mbola misy karohina fatratra ka miangavy izahay mba hilavo lefona manantona ny mpitandro filaminana”, hoy ny kaomandin’ny polisin’ny Fip, ny kaomisera Rafaliarivo Jules. Tsy […]
Tranga
Nampiahiahy… : Ankizy tsy ampy taona tratra nitazona basy
Tratran’ny polisy tao Ihosy Andrefantsena, afakomaly noho ny fihazonana basy vita gasy ireo roa lahy (tsy ampy taona ny iray). Toy ny fanaon’ny polisin’Ihosy, manatanteraka fisafoana mahazatra izy ireo ka tamin’izany no nahatsikaritra ireo olon-dratsy ireo. Teo amin’ny fiantsonan’ny taksiborosy no nahasamborana azy ireo, raha ny tatitra nampitain’ny polisy. Somary […]
Dahalo ampolony nanafika: maty voatifitra ny tompon’omby
Maty vokatry ny fanarahan-dia natao tamina dahalo mpangalatr’omby , ny olon-tsotra iray tao Ambodihady, fokontany Ambodiamontana, kaominina Ambovombe centre, distrika Manandriana, ny 14 janoary teo. Tamin’ny 11 ora alina, raikitra ny savorovoro teo amin’ny dahalo sy ny fokonolona rehefa lasan’ireo olon-dratsy ny omby valo. Nitondra fitaovam-piadiana ireo dahalo maherin’ny folo. Vokany, […]
Ambohidratrimo : zazavavikely fito taona natsingevan’ny rano
Tranga mampalahelo. Ankizivavikely iray sahabo ho eo amin’ny fito taona eo no hita faty natsingevan’ny ranon’i Sisaony teo amoron’ny fefiloha ao amin’ny fokontany Ampefiloha, kaominina Fiadanana, distrikan’Ambohidratrimo. Omaly tokony ho tamin’ny 08 ora maraina, tsikaritr’ireo fokonolona teny amin’ny manodidina ilay ankizivavikely efa tsy nisy aina intsony. Navoaka vonjimaika izy, nampandrenesina […]
Ankadimbahoaka : mirongatra ny fanendahana
Nosamborin’ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahadimy (CSP5) Mahamasina teny Ankadimbahoaka ny jiolahy iray malaza ratsy amin’ny fanendahana. Fantatra fa isan’ireo toerana malaza ratsy amin’ny fanendahana iny faritra Ankadimbahoaka sy ny manodidina hatrany amin’ny fasan’ny Karana iny. Manoloana izany, nametraka paikady ny polisin’ny CSP5 tamin’ny alalan’ny fametrahana polisy manao […]