Tra-tehaky ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny CSP4 ny lehilahy iray mpangalatra moto tetsy Antohomadinika IVO, afakomaly. Naharay fampahafantarana avy amin’ny vehivavy iray ny polisy fa very nisy nangalatra tao amin’ny faritry ny ANS Ampefiloha ilay kodiaran-droa nandritra ny fankalazana ny hetsiky ny skoto. Marika Yamaha io moto io ka […]
Tranga
Nanolana ny zana-badiny : Raikely naiditra am-ponja
Tratra ilay raikely nahavanon-doza ny 22 febroary teo. Simba tanteraka vokatry ny fanolanana nataon’io lehilahy io ilay ankizivavy 5 taona, tao Mahabe, kaominina Brieville. Nifampitadiavana nanomboka ny faran’ny volana janoary teo, tratra ihany ilay raikely nanolana ny zana-badiny tao Mahabe, kaominina Brieville, distrikan’i Tsaratanana, ny 22 febroary teo. Niezaka nanafina […]
Vaky fasana : razana 21 voaviraviran’ ny olondratsy
Miseholany ny vaky fasana, lasibatry ny olon-dratsy indray ny fasana iray ao amin’ny fokontany Sadondraza Ambohitriombonana, kaominina Fihaonana, afakomaly. Razana miisa 21 noviravirain’ireo tsy mataho-tody. Mpandalo maraina no nahatsikaritra ny fasana efa nisokatra. Niantso ny tompom-pasana sy ny tomponandraikitry ny fokontany avy hatrany izy ireo. Tsy hita tao intsony ny […]
SOMBIM-BAOVAO
Tontosa tao Faratsiho Antsirabe, ny 17 febroary lasa teo, ny fifakalozan-kevitra voalohany, nokarakarain’ny ligin’ny baolina kitra, faritra Vakinankaratra. Tanjona amin’ity hetsika ity ny hahafantarana ny olana sendrain’ny baolina kitra any an-toerana, hisorohana ny disadisa rehefa manomboka ny fifaninanana. Hotanterahina ny 2-3 marsa ho avy izao, any amin’ny Boulôdrome Tanjombato, ny […]
Tambajotran-jiolahy: dimy lahy voasambotry ny polisy
Dimy lahy mpikambana anatin’ny tambajotran-jiolahy tra-tehaky ny mpitandro filaminana tao Amparihingidro, Mahajanga, afakomaly. Naharay fitarainana ny mpitandro filaminana ao an-toerana fa lasibatry ny asa ratsin’ireo jiolahy ireo ny mponina ao Amborovy, Ambondrona hatrany Amparihingidro. Nanao fisafoana alina ny UIR ka nifanehatra tamin’ireo olon-dratsy. Nitsoaka avy hatrany ireto farany rehefa nahatazana […]




