Tranga

Ambatomena-Fianarantsoa: lasan’ny jiolahy ny zava-maneno tao am-piangonana

Efa mihanika hatrany anaty tranom-piangonana ireo mpangalatra ao Fianarantsoa. Lasan’ny olon-dratsy ny zava-maneno tao amin’ny Ekar Ambatomena Fianarantsoa, ny alin’ny asabotsy hifoha ny alahady 15 janoary teo. Nila­tsaka avy any amin’ny tafo ireo mpangalatra. Tsy nihetsika arak’izany ny varavaran’ny fiangonana ka tsy naha rototra ireo manodidina. Rehefa ha­natrika lamesa maraina […]

Trano nilatsaham-potaka : efatra mianadahy namoy ny ainy

Nilatsaham-baratra ka nahafatesana olona telo tao amina tokantrano iray ao Ampandrambe, fokontany Ambararatasarotra, distrikan’ Ambatofinandrahana, ny 12 janoary teo. Tamin’ny 02 ora sy sasany tolakandro, samy tao an-trano ireto fianakaviana ireto. Nipoaka tampoka ny varatra. Efa tafiditra tao an-trano anefa izany ka nirehitra ny tafo. May nandritra io ny lehilahy […]

Raharaha hala-jaza-Toliara : vehivavy naiditra am-ponja vonjimaika

Niatrika ireo mpitsara mpanao famotorana tao Toliara, omaly, ireo olona efatra voasaringotra tamin’ilay hala-jaza, ny talata lasateo. Vokany, naiditra am-ponja vonjimaika ilay vehivavy voatondro ho nangalatra ilay zazalahikely sy ilay rasazy namany. Arahi-maso ara-pitsarana kosa izy mianadahy hafa voasaringotra tamin’ity raharaha ity. Tsiahivina fa teraka ny alatsinainy teo tao amin’ny […]