Nirefodrefotra ny basy ! Maty voatifitra ny jiolahy raindahiny iray teny amin’ny fokontany Ambatolampy, kaominina Ambohijanaka, ny alin’ny alarobia hifoha ny alakamisy 22 febroary teo. Teo am-pangalarana omby, voasambotry ny fokonolona io olon-dratsy io. Nentin’ny zandary natao famotorana izy ka nanaiky hitoroka ireo namany. Nentin’io jiolahy io nihazo ny lalamby izay […]
Tranga
Trafikana olona : Afrikanina roa lahy naiditra eny Tsiafahy
Tratran’ny polisy tetsy 67 ha ny telo lahy, mpanondrana olona antsokosoko any ivelany. Notanana am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy izy ireo, rehefa nohenoin’ny fampanoavana. Voasambotra teny amin’ny faritry ny 67 ha ny teratany Ganeanina roa lahy sy ny Malagasy iray namany. Mpanondrana olona antsokosoko hiasa any ivelany izy ireo. Naiditra am-ponja […]
Taingim-be : olona roa namoy ny ainy, valo naratra
Mpandeha roa maty tsy tra-drano vokatry ny lozam-pifamoivoizana tao Nosy-Be, omaly. Nitondra olona folo io Bajaj tra-doza io. Tsy nahazo tampoka ny hisatra ka nivarina tany an-kady ny fiara nitondra ireo olona am-polony. Naratra mafy ny ankamaroan’ireo mpandeha ireo. Niezaka nanavotra ireo tena voa mafy teny anivon’ny hopitaly ireo nanatri-maso […]
Asan-jiolahy: dimy maty voatifitra, 14 voasambotra
Nirefondrefotra ny basy tao Toamasina sy Fianarantsoa. Roa lahy matin’ny polisy tao an-drenivohitr’i Betsimisaraka. Niampy 14 lahy ireo voasambotra. Hetsika manokana nataon’ny polisim-pirenena no nahazoana izany. An-jatony ny fitarainanan’ny fokonolona manodidina ny fokotanin’Ankirihiry eo amin’ny bazary may sy manodidina ny Cite Haras. Faritra mena tsy azo lalovana vao manomboka amin’ny […]
Ora-nikija : roa lahy matin’ny ranotrambo
Vokatry ny orambe, lasan’ny ranotrambo tamin’ny alahady, ny raim-pianakaviana miisa roa, teny Ambatomirahavavy. Telo andro taty aoriana, hita teny an-tanimbary ny razana. Telo andro nifampitadiavana tao anaty rano, hita faty afakomaly, ireo roa lahy matin’ny ranotrambo tao Ambatomirahavavy ny 18 febroary lasa teo. Tsy lavitra ny toerana nitondran’ny rano azy […]




