Tranga mampalahelo. Ankizivavikely iray vao 10 taona monja no voalaza ho niharan’ny herisetra ara-nofo. Omaly, tonga teny amin’ny biraon’ny zandary ao Ambatofotsikely kaominina Vinany, distrikan’i Mandoto ny renin’ ilay zaza nintantara ny zava-nisy. Nilaza izy fa naolan’ny lehilahy iray mpanampy azy ao ihany ny zanany vavy ny alakamisy teo tokony […]
Tranga
Niaraka tamin’ny mpivarotena : lehilahy maty noho ny fijanonan’ny fo tampoka
Namoy ny ainy tampoka noho ny fijanonan’ny fony ny lehilahy iray natory tao amin’ny mpampanofa tena tao Port-Berger, omaly. Avy any ambanivohitra, sendra nandalo tao an-toerana ity lehilahy ity. Nanantona mpampanofa tena arak’izany ny tenany ka nanaraka io vehivavy io tany an-tranony. Noho ny alina, hatairana ny an’ilay mpampanofa tena […]
Hasarotam-piaro : novonoina, nalevin’i Doris teo an-tokotany ny vadiny
Tratran’ny zandary tao Vohitsoa Belambo Ambalamanasy, ny alatsinainy 9 janoary lasa teo i Doris, namono nahafaty ny vadiny tamin’ny fomba feno habibiana noho ny hasarotam-piaro. Maty novonoin’i Doris i Marie Violette, 21 taona vadiny noho ny hasarotam-piaro diso tafahoatra. Nanampy azy tamin’ ny fandevenana an-tsokosoko teo an-tokotany kosa ny tovolahy […]
Kaominin’i Bemanonga : dahalo efa-dahy voasambotra
Nahare fisiana andian-dahalo mikononkonona hanafika, tra-tehaky ny polisy ny efa-dahy malaza ratsy amin’ny fanafihana sy ny halatr’omby tao amin’ny fokontanin’Androvabe Soatanana, Andramoteraka, kaominina ambanivohitr’i Bemanonga, ny alarobia teo. Andro vitsy taorian’ny fampihorohoroana nataona dahalo tao amin’io tanàna io, nanao fitsirihana ny mpitandro filaminana. Fantatra tamin’izany fa misy ny fikasana andian-jiolahy […]
Vaky trano : olon-dehibe efatra voasambotry ny zandary
Voasambotry ny zandary ireo olon-dehibe efatra mianadahy tratra namaky trano tao Behenjy afak’omaly. Nisy nanafika ny tokantrano iray ao Anjanamasoandro ambony, fokontany Antanetibe, kaominina Behenjy tamin’io andro io. Lasan’ny jiolahy tamin’ izany, ny vilany, ny biby fiompy ary kojakoja maro samihafa tao an-trano. Nahavoaray antso avy tamin’ny olon-tsotra ny zandarimariam-pirenena […]