Nanapaka ny mpitsara avy amin’ny Crown Court Southwark, fitsarana anglisy, omaly, fa voaheloka noho ny kolikoly nataony Andrianarisoa Romy Voos, talen’ny kabinetran’ny fiadidiana ny Repoblika teo aloha. Raha tsiahivina, fakana vola sy fandraisana anjara 5% amin’ny fitrandrahana hotanterahin’ny orinasa Gemfields eto Madagasikara no antontan-taratasin’ady niampangana azy. Ny 10 aogositra 2023 […]
Tranga
67 ha : mpanendaka lavon’ ny polisy
Maty voatifitry ny mpitandro filaminana ny mpanendaka raindahiny iray teny 67 ha, ny alin’ny alatsinainy 19 febroary teo. Efa naharay tatitra momba azy ny polisin’ny CSP7. Mitaraina vokatry ny asa ratsiny avokoa ny mponina eny amin’ny manodidina. Tsy nitazam-potsiny, namolavola paikady ka nanao vela-pandrika ny mpitandro filaminana. Tra-tehaka tokoa izy […]
Ahina ho novonoina : Razana nizara roa, tao anaty kirihitra
Razana nitapaka roa, efa noviravirain’ny amboa, no hita tao anaty kirihitra tetsy Ambohimiandra, omaly maraina. Ny nifiny sy ny akanjony no nahafantaran’ny havany azy. Nizara roa ny vatan’ny lehilahy iray, ahina ho nisy namono. Hitan’ny fokonolona tetsy Ambohimiandra, boriborintany faharoa, omaly maraina tamin’ny 8 ora, ny razana efa simba. Nahatsikaritra […]
Zava-mahadomelina : Ramatoa nahatrarana rongony 8 kg
Voasambotry ny mpitandro filaminana ny ramatoa iray mpivarotra rongony tao amin’ny fokontany Maevarano, kaominina Ankazomborona, distrikan’i Marovoay, afakomaly. Naharay fampahafantarana avy amin’ny tsara sitrapo ny zandarimaria miasa ao an-toerana fa manaparitaka rongony ary mivelona amin’ny alalan’ny famarotana io karazan-java-mahadomelina manimba tanora io ilay ramatoa. Nidina ifotony nanamarina ny zava-misy marina […]
Fanafihana biraon’ny zandary: misokatra ny fanadihadiana
Efa misy ireo olona voasambotra atao famotorana momba ny fanafihana biraon’ny zandary borigadin’Ankazomiriotra, omaly. “Maromaro ireo voasambotra atao famotorana ary misy ireo mbola karohina”, hoy ny fanazavan’ ny zandary ao Mandoto. Kila tsy nisy noraisina ny fiara iray niaraka tamin’ny moto fito nodoran’ny fokonolona. Lehilahy voalaza fa notifirin’ny zandary tao […]




