Niakatra fampanoavana, omaly, ny raharaha momba ilay vono olona teny Andohalo, ny asabotsy teo. Voasambotra ny andron’io ihany ilay voatondro ho nahavanon-doza. Tratra teo amin’ny toeram-piasany tsy lavitra ny nahitana ilay vatana mangatsiaka izy. Efa nigadra teny Antanimora ity lehilahy 45 taona ity. Ratsy fitondran-tena izy ary efa ikoizan’ny mponina […]
Tranga
Mifoka sy mivarotra: mpanao trafikana héroïne dimy tratra
Naiditra am-ponja afakomaly rehefa avy natolotra ny fampanoavana, ireo dimy mianadahy voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fanaovana trafikana zava-mahadomelina mahery vaika (héroïne). Voasambotry ny polisy misahana ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina, ny 9 desambra 2022, izy ireo. Raha ny tatitra nampitain’ny polisy, tratra teny Ankasina 67 ha ny telo. Tsikaritr’ireo polisy […]
Nanafika tokantrano: jiolahy telo maty voatora-bato sy voakapa famaky
Tokantrano iray tany Antsirabe II, ao amin’ny fokontany Mahatsinjo, kaominina Ambohitsimanova, no voatafiky ny jiolahy ny zoma tamin’ny 12 ora alina teo. Nampandre ny zandary ao Ambohidranandriana ny fokonolona avy eo ka raikitra ny fanarahan-dia niaraka tamin’ny zandary. Nisy ny fanakanan-dalana notarihin’ny CB ao Andranomadio tamin’izany. Nitsoaka avy hatrany izy […]
Ikalamavony : Basy roa naterina teny amin’ny zandary
Mitohy ny tagnamaron’ny fandriam-pahalemana. Naterin’ny olon-tsotra teny amin’ny kaompania Ikalamavony, ny Basy roa efa tsy manan-tompo, ny faran’ny herinandro teo. Nanao fanentanana ireo olona minia mitam-piadiana tsy manara-dalàna ny mpitandro ny filaminana. Efa tsy misy velona intsony ny tompon’ireto basy ireto araky ny taratasy misoratra aminy. Tapa-kevitra hamerina ireto basy […]
RN7 : Tovolahy niampita tampoka, vaky loha
Naratra ny tongotra sy ny lohan’ny mpandeha an-tongotra iray voafaokan’ny fiara tsy mataho-dalana tao anatin’ny lalam-pirenena fahafito, PK317+150 teo Camp-Robin, ny faran’ny herinandro teo. Avy aty Antananarivo nikasa hihazo an’i Toliara ity fiara 4×4 ity. Niampita tampoka, tsy hitan’ny mpamily fiara ny tovolahy iray. Niezaka niala, voafaoka io mpiampita io. […]