Telo lahy naiditra am-ponja vokatry ny herisetra ara-nofo nataon’izy ireo tao anatin’ny herinandro monja. Zaza tsy ampy taona mbola mianatra avokoa ireo lasibatra. Mirongatra izay tsy izy ny trangana fanolanana tato ho ato. Lehilahy miisa telo saron’ny mpitandro filaminana tamin’ny toerana samihafa tao anatin’ny herinandro monja. Nosamborin’ny polisy ny lehilahy […]
Tranga
Ankazomiriotra : notafihin’ny olona ny biraon’ny zandary
Raikitra ny savorovoro niafara tamin’ny fanafihan’ireo andian’olona ny tobin’ny zandary ao amin’ny borigadin’ Ankazomiriotra, ny sabotsy atoandro teo. Fiara iray sy moto fito niaraka tamin’ireo antontan-taratasy samihafa tao amin’ny birao no nodoran’ny olona. Nisy tamin’ireo fitaovam-piadiana koa no voalaza fa nopotehin’ny olona noho ny hatezeran’izy ireo. Raha ny fijoroana vavolombelona […]
Nosy Be: mpangalatra matin’ ny herinaratra
Matin’ny herinaratra ny lehilahy iray nikasa hangalatra tao amin’ny tanànan’i Amboanara, Nosy Be Hell Ville, ny alin’ny sabotsy hifoha ny alahady 18 febroary teo. Niditra antsokosoko ka nikasa hanokatra ny toerana misy ny akoho an’ny tompon-trano ity farany. Tsy fantatr’io mpangalatra io fa misy herinaratra ilay tranon’akoho, kanjo natsipin’ny tanjaky […]
Nanapa-doha mpandraharaha: tratra ireo roa lahy nokaramaina 10 tapitrisa Ar
Hatolotra ny fampanoavana anio ireo jiolahy roa tompon’antoka tamin’ny vonoan’olona feno habibiana tao Tsararano Maevatanana. Hita tao anatin’ny findain’ilay mpandraharaha fa izy roa lahy no namono azy rehefa nokaramaina 10 tapitrisa Ar. Olona roa hafa indray voasambotra ka hiakatra fampanoavana anio, momba ny vono olona nahatsiravina tao amin’ny fokontany Tsararano, […]
Toamasina : tratra ilay tovolahy nangalatra 42 tapitrisa Ar
Tovolahy 17 taona nangalatra vola, voasambotry ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona tao Toamasina, afakomaly. Nalainy antsokosoko ny vola mitentina 42 tapitrisa Ar. Nitsoaka izy nanomboka ny 8 febroary teo ka namoahan’ny mpitandro filaminana filazana fikarohana. Nitady azy avokoa ny manodidina sy ny mpifanerasera taminy. Tsikaritry ny olon-tsotra […]




