Tao anatin’ny folo andro nanombohan’ny taona, nitrangana vonoan’olona roa sahady tao amin’ ny tanànan’i Toamasina. Misy amin’ireo olona sasany maty an-drano sy vokatry ny fisotroan-toaka… Hatramin’ny fiatombohan’ny taona, olona roa maty nisy namono tao Toamasina. Tovovavy hita faty tao Ambalamanasy ny iray tamin’izy ireo. Nilaza hitory noho io nahafaty ny […]
Tranga
Saika hivarotra basy : olona dimy naiditra am-ponja
Nidoboka am-ponja ireo telo mirahalahy mianaka sy ny vehivavy roa tra-tehaky ny polisy tao Arivonimamo ny 6 janoary teo. Nikasa hivarotra basy, nanaovan’ny mpitandro filaminana vela-pandrika ireto olon-dratsy ireto. Ny alakamisy 5 janoary teo, nanao hetsika hisorohana ny tsy fandriam-pahelemana ny kaomisaria ao an-toerana. Naharay antso avy tamina tsara sitrapo […]
Befandriana Sud : roa lahy nahatrarana vola sandoka 1 tapitrisa Ar
Mpanaparitaka vola sandoka roalahy indray no voasambotry ny zandary tao Befandriana Sud, anatin’ny distrikan’i Morombe, afakomaly. Nanatona “cash-point” iray tao an-toerana ny iray tamin’izy mirahalahy ireo. Nilaza arak’izany ity farany fa handefa vola mitetina 1 tapitrisa Ar. Tsy nisalasala ilay mpisoloky namoaka ny vola teny aminy. Teo am-panisana ny vola […]
EPP Ampasina – Ambositra : lasan’ny jiolahy ny vary 11 gonin’ny “cantine scolaire”
Hatrany an-dakilasy, norobain’ny tsy mataho-tody ny vary 11 gony sy menaka 35 tavoahangy an’ny mpanao “cantine” tao amin’ny EPP Ampasina Kaominina Andina, distrikan’Ambositra ny 9 janoary teo. Nipetraka tao amin’ny trano fitehirizan’entana anatin’ny EPP ao an-toerana ireo entana ireo. Ny alin’ny alatsinainy teo anefa, nitondran’ireo jiolahy tohatra ny trano fitehirizana […]
Morondava: sefo fokontany matin’ny dahalo
Manjaka ny tsy fandriampahalemana. Nitrangana vono olona tao amin’ny fokontany Antsaribao, kaominina Analaiva, distrika Morondava ny alin’ny alatsinainy teo. Maty voatifitry ny andian-dahalo nirongo basy ny sefo fokontany tao an-toerana, tokony ho tamin’ny 12 ora alina. “Nanafika tao amin’io tanàna ireo dahalo ka namantana tao amin’ny trano fonenan’ity sefo fokontany”, […]