Tranga

Fanafihana mpivarotra: jiolahy iray voasambotra

Tratra ny jiolahy raindahiny tompon’antoka tamin’ny fanafihana mpivarotra tao Ambolomadinika, Toamasina, ny 14 febroary teo. Niditra an-keriny tao amin’io toerana io ity jiolahy ity sy ny namany, ny talata teo tamin’ny 9 ora alina. Nitondra antsilava sy fitaovam-piadiana izy ireo. Norobain’izy ireo ny poketra teny amin’ilay ramatoa . Tazan’ny fokonolona […]

Namono ny zanak’anabaviny : enina mianaka nidoboka am-ponja

Iray volana taorian’ny vono olona nahatsiravina tao amin’ny kaominina Ambodivoara, distrikan’i Sambava, naiditra am-ponja ireo eni-mianaka anaty fianakaviana iray nahavanon-doza. Vehivavy ny roa tamin’ireo efatra notazonina am-ponja vonjimaika, taorian’ny fihainoana am-bava an’izy ireo teny anivon’ny sampam-pitsarana ambaratonga voalohany, tao An­talaha, omaly. “Ady lova no nitarika ny vono olona nataon’ireo olona […]

By-pass : mpitondra moto maty notetezin’ny kamiao

Maty tsy tra-drano ny mpitondra moto scooter iray teny By-pass mihazo an’Iavoloha, omaly alina tokony ho tamin’ny 8 ora. Nikasa hianatsimo ilay mpitondra moto. Nifanojo tamin’ny mpitondra bisikileta iray avy any amin’ny lalam-pirenena fahafito izy. Samy tao anatin’ny hafainganam-pandeha, niala tampoka io bisikileta nifanitsy taminy io ilay lehilahy nitaingina moto. […]

Halatra omby: dahalo roa lahy voasambotra

Saron’ny mpitandro filaminana ireo dahalo roa lahy nitam-basy nangalatra omby tao Ankililaoka, Toliara, afakomaly. Nentin’izy roa lahy ireo nandositra ny omby roa. Nifanehatra tamin’ny polisy nanao fisafoana alina ireo dahalo. Raikitra ny fisamborana. Noraisim-potsiny ny fitaovam-piadiana teny aminy sy ny bala fampiasany. Nogiazana ireo omby halatra roa ka naiditra am-balam-pamonjana. […]

Nanafika fiara nitondra vola : jiolahy 3 naiditra eny Tsiafahy

Nanaovan’ny sampandraharaha misahana ny heloka bevava fanadihadiana lalina, tratra avokoa ary naiditra eny Tsiafahy ireo tompon’antoka tamin’ny fanafihana teny Anjohy, ny sabotsy 10 febroary teo. Vehivavy ny iray amin’ireo olona efatra voasambotry ny mpitandro filaminana momba ny fanafihana fiara iray nitondra vola teny Anjohy, fiantombohan’ny volana febroary teo. Norobain’ireo olon-dratsy […]