Tsy mbola fantatra hatreto ny tompon’antoka tamin’ny raharaha nahafatesana olona tao Ambendrana‚ fokontany Ankiririky‚ kaominina Ambonivohitra Antsohihy, ny 20 novambra teo . Efa nipetraka kosa ny fitoriana olon-tsy fantatra “Plainte contre X”, nataon’ny havan’ny maty. Miahiahy ny tompon’andraikitra iray ao amin’ny faritra Sofia koa anefa izy ireo, araka ny nambaran’ny […]
Tranga
Ambatofinandrahana: kariera bodoina olom-boafidy tsy manara-dalàna
Mihenjan-droa ny tady, eo amin’ny olom-boafidy iray ao Belo sur Tsiribihina sy ireo mpitandraka vatosoa ao amin’ny fokontany Fenoarivo kaominina Ambalamahatsara, distrikan’Ambatofinandrahana, faritra Amoron’i Mania. Nahazoan’ny olon-tsotra miisa telo alalana hiasa, hanara-maso ny faritra ao amin’ny karieram-bato «spodumène sy triphane» araka ny fahazoan-dalana PRE laharana « 3273 » io toerana […]
Toby miaramila BOA : tratra ireo mpanodinkodina simenitra
Nosamborina ny ramatoa vadina dokotera miasa ao Ambaladimera II sy mpamily fiara iray, afakomaly. Voalaza fa nanodinkodina simenitra anamboarana ny toby miaramila Boa any an-toerana izy ireo. Naharay antso an-tariby ny tomponandraikitry ny tetikasa, fa misy manodinkodina ireo simenitra any an-toerana. Nijery ny zava-misy avy hatrany ny zandary sy ny […]
Nikasa handositra : mpamono olona voatifitry ny polisy
Nifarana hatreo ny asa ratsiny! Maty voatifitry ny polisy nandritra ny fikasany handositra ny jiolahy raindahiny iray tao Tsarahambendrana, distrikan’i Farafangana, afakomaly. Voasambotra ny 7 desambra teo, natao fanadihadiana lalina ity jiolahy ity ary niaiky ny heloka vitany. Nambarany ny polisy avokoa ireo asa ratsy rehetra efa nataony. Fantatra tamin’ […]
Fidorohana rongony: valo lahy noraofin’ny polisy
Lehilahy miisa valo no voasambotry ny polisy, afakomaly, tao amin’ny fokontany Tsiamahavaokely-Morondava. Tratra nifoka rongony ireo lehilahy ireo ka indray noraofin’ny polisy avokoa. Fantatry ny polisy ao an-toerana ny ny fisiana andiana lehilahy maromaro mifoka rongony. Fantatra tamin’izay koa ny toerana sy fotoana fanaovan’ izany. Vokany, nametraka ny paik’ ady […]