Teo am-pikasana hanafika mpamongady iray ao amin’ny fokontany Anjomakely, kaominina Ambatolampy Tsimahafotsy, afakomaly alina, no nifanehatra tamin’ny zandary ny andian-jiolahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika. Nanao ny asa fisafoana toy ny fanaony mahazatra ireo zandary no nahatsikaritra io andian-jiolahy eo am-piomankomanana hanao fanafihana tranombarotra io. Raikitra ny fifanenjehana satria nanapoaka basy […]
Tranga
Vokatry ny rotsakorana be: olona roa maty, 2 231 traboina eto Analamanga
Tsy mbola ofisialy ny filazana fa nisy olona 11 maty ary 25 hafa tsy hita popoka vokatry ny fisian’ny ranotrambo tao amin’ny distrikan’i Benenitra ny alatsinainy lasa teo, hoy ny tale jeneralin’ny BNGRC. Vokatry ny rotsakorana niseho teto Antananarivo, ny 6 ka hatramin’ny 11 febroary ary ny 11 febroary lasa […]
Andravoahangy: jiolahy maty voatifitry ny polisy
Fanafihana tsy tontosa! Lavon’ny balan’ny polisy ny jiolahy iray tetsy amin’ny tsenan’ Andravoahangy, afakomaly. Telo lahy nikasa hanafika trano fivarotana nifanenjehan’ ny mpitandro filaminana teny Andravoahangy, afakomaly. Nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika toy ny basy sy antsy ireo olon-dratsy ireo, ny atoandron’ny alatsinainy teo. Niditra amin’ny faritry ny tsena izy telo […]
Miray tendro amin’ny dahalo: Ben’ny Tanàna, maty voatifitra
Lavon’ny balan’ny zandary teny am-pitsoahana tao Bemanonga, omaly, ny ben’ny Tanàna iray ao amin’ny distrikan’ i Belo sur Tsiribihina, sy ny dahalo iray namany. Voalaza fa mpiray tendro amin’ny dahalo sady mpamatsy fitaovam-piadiana izy. Tratran’ny Jamà, karamain’ny fokonolona miasa ao Tsimafana, tao Ankaraobato, kaominina ambanivohitr’i Tsimafana ny dahalo raindahiny amin’ny […]
Morondava: tratra ny jiolahy nanafika sinoa mpandraharaha
Saron’ny polisy ny jiolahy tompon’antoka tamina fanafihana teratany sinoa mpandraharaha tao Nosikely Morondava, ny sabotsy 10 febroary 2024 lasa teo. Nisy trangana fanafihana tao amina tokantrano iray ao Nosikely. Jiolahy telo niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana no voalaza fa niditra an-keriny tao an-tranon’io teratany sinoa io. Nahazo ny angom-baovao rehetra momba izany […]




