Tranga

Maintirano : lavon’ny bala i Tanory

Maty voatifitry ny zandary nandritra ny sakoroka tao anaty sasak’alina ny dahalo mpangalatra omby iray. Naka omby antsokosoko tao anaty vala, nifanehatra tamin’ny mpitandro filaminana ny dahalo roa lahy tao amin’ny fokontany Manapape, kaominina ambanivohitra Andranovao, distrikan’i Maintirano, afakomaly alina. Nigadona tao amin’io tanàna io ireo dahalo ireo tamin’ny misasak’alina. […]

Ambohijanaka : mpamaky trano niharan’ny fitsaram-bahoaka

Voasambotry ny fokonolona ny lehilahy 18 taona mpamaky trano tao Amboniakon­dro, kaominina Ambohijanaka, afakomaly. Niditra antsokosoko tao amin’ny tokantrano iray teny an-toerana io tontakely io ka nibata ny volany sy izay ni­fanandrify taminy. Nitsai­tsaika nivoaka moramora izy nitondra ny entana halatra. Tsika­ritry ny manodidina anefa io mpangalatra io. Nifanenjehan’ ny […]

Tanàna roa voatafika : fito lahy nandroba mpandraharaha voasambotra

Nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika toy ny basy ireo jiolahy nanafika tao amin’ny tokantranon’ny mpandraharaha iray ao amin’ny fokontany Ampasinambo, kaominina ambanivohitra Lakato, distrikan’i Moramanga ny alin’ny alatsinainy teo. Nanafika tao amin’ny fokontany Ambodi­gavo ireo olon-dratsy talohan’io saingy tsy nahazo na inona na inona ka nifindra tao amin’ny toerana nisy ilay […]

Tsiadana : mpangalatra moto voasambotra

Noraisim-potsiny tamin’ny alalan’ny GPS tao anaty moto nangalariny ny lehilahy eny Ambohidepona Tsiadana, omaly. Norobain’ny olon-dratsy tao amin’ny tompony ny moto scooter iray 4 T, ny marainan’ny alatsinainy 12 febroary teo. Nikoropaka nitady io fananany io ny lasibatra sady nampandre ny mpitandro filaminana. Nanao ny paikady rehetra nikarohana ilay moto […]

Ambohitrimanjaka ; lehilahy hita faty tapa-doha

Tsy nisy loha intsony ilay lehilahy hita faty tetsy Ambohitrimanjaka, omaly. Novonoina ary natsipy tao anaty rano izy. Lehilahy iray hita faty natsingevan’ny rano tetsy Ikopa tsy lavitra ny tetezana Ambohitrimanjaka, oma­ly maraina. “Notapahan’olona nesorina hatramin’ny fotony mihitsy ny lohan’io olona io”, hoy ny fanazavan’ny Koa­madin’ny sampana mpamonjy voina. Mpanarato […]