Tranga

Sakaiza manody : tratra ireo nanindrona antsy ny namany

Taorian’ny fahitana vono olona iray teny Dorodosy Imerimanjaka, ny 27 oktobra teo, nidina ifotony nanao ny fikarohana izay nahavanon-doza ny polisim-pirenena teny an-toerana. Roa volana latsaka aty aoriana, voasambotra omaly ireo roa lahy mpamono olona. Marihina fa nipetra-drery ity tovolahy ity ary hita faty tao an-tranony. Nitohy ny fikarohana nataon’ny […]

Mpivady novonoina: hatao hazalambo ilay lehilahy nahavanon-doza

Karohin’ny zandarimaria fatratra ilay lehilahy tompon’omby voatondro nitifitra ireo mpivady havany ny talata teo tao Mandranga, distrikan’Ihosy. Karohina fatratra ilay lehilahy voatondro ho nahafaty ireo mpivady havany tao Mandranga fokontany kaominina Maha­soa ny talata teo. Hatramin’ ny ora nanoratanay farany, mbola anatin’ny fanarahan-dia ny zandarimaria. Zava-doza no niseho tao Mandranga, […]

Tafaporitsaka : jiolahy 6 voasambotry ny zandary

Tratran’ny zandary ny 6 desambra lasa teo ireo jiolahy enina tafaporitsaka efatr’andro taorian’ny famonoana ireo namany. Tsiahivina fa nanafika ny tanàna iray ao amin’ny kaominina Ambodiriana izy ireo. Tratran’ny mpiambina ny tanàna teo am-pangalarana izy ireo, ka raikitra ny fifanenjehana. Jiolahy roa no matin’ny fokonolona tamin’io ary tafaporitsaka ny jiolahy […]

Fandrobana: jiolahy matin’ ny fitsaram-bahoaka

Maty vokatry ny hatezeran’ny fokonolona ireo roa lahy nanafika tao amin’ny fokontany Tandrokosy kaominina Be­manonga, distrikan’i Moron­dava. Ny alarobia teo nahazo antso ny zandary fa nanafika tao amina tokantrano iray tao an-toerana ireo jiolahy tokony ho tamin’ny 05 ora maraina. Fantatry ny fokonolona avokoa ny mombamomban’ireto mpanafika. Samy monina ao […]

Nanota fady : mpianatra 50 mahery niharan-doza

Nisehoan-javatra hafahafa ny mpianatra 50 tao amin’ny CEG iray ao Tana­ma­koa, oma­ly. Nanimbazimba toerana fady tao amin’ny alan-javaboary Ivoloina, Toa­ma­sina izy ireo. Nivoaka nanao fitsangantsanganana tao amin’io toerana io ireo mpianatra niaraka tamin’ireo mpanabe, ny asabotsy lasa teo. Kilasy telo izy ireo, samy nanao ny fitsidihana. Novira­viran’ny mpianatra sasany tamin’ireo […]