Tranga

Nanota fady : olona natelin’ny rano­masina tao Toamasina

Raim-pianakaviana 58 taona no natelin’ny ranomasina tao Toamasina, ny sabotsy teo. Mbola tsy nipoitra avy ao anaty rano ity niharam-boina ity taorian’ny fikarohana nataon’i Lalaina zanadrano, ilay tovolahy mpisitrika manavotra olona natelin’ny ranomasina. Ireo mpaka sary eny amoron-dranomasina no na­hatsikaritra entan’olona mipetraka eo amoron-dranomasina ka samy nifanontany teo. Sakaosy niaraka […]

Herisetra amim-behivavy : voasambotra ilay lehilahy namono ny vadiny

Naratra mafy vokatry ny daroka sy vono nataom-badiny ny vehivavy iray tetsy Ankaraobato. Tratran’ny mpitandro filaminana ilay lehilahy nahavanon-doza. Mirongatra tato ho ato ny fifampikasihan-ta­nana ataon’ny samy mpivady. Lehilahy iray indray no voasambotra tao amin’ny fokontany Ambodivoanjo, kaominina Ankaraobato, afakomaly maraina. Nidaroka sady nandratra ny vadiny, notanan’ny mpitandro filaminana ny raim-pianakaviana iray. Naharay loharanom-baovao […]

fikambanam-behivavy ams : nahazo zanak’akoho sy kisoa

Mandeha ny fitsinjarana ireo biby fiompy sy sakafom-biby ho an’ny tantsaha ataon’ ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae). Nitsidika kaominina maromaro any amin’ny faritra Amoron’i Mania, ny minisitra Ratohi­arijaona R. Suezlin, ny herinandro lasa teo, nandray ny hetahetan’ny tantsaha. Ho famaliana izany fangatahana izany, natao ny sabotsy 10 febroary […]

Fifampikasohana herinaratra: trano fivarotana dimy kilan’ny afo

Nitrangana haintrano ma­hatsiravina tao amin’ny fokontany Analankinina Hopitaly Be, eo amin’ny “Rond point ” ambody tetezana Tanamakoa, ny zoma 9 febroary, tokony ho tamin’ny 6 ora hariva. “Efa ela izahay no nampandre ny Jirama fa matetika misy manjelanjelatra na mitselatselatra ny tariby mitondra herinaratra amin’ io andrin-jiro io fa tsy […]

Mahaboboka – Toliara: Taksiborosy nahatrarana zanaka baobab 24 gony

Mirongatra hatrany ireo manararao-paty manimba ny ala arovana. Lehilahy iray sarona nitondra zanaka baobab tao anaty gony. Noraisim-potsiny! Sa­ron’ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-pa­ritra Mahaboboka ny taksiborosy iray nitondra jabohy (za­naka baobab) 24 gony, ny sabotsy teo. Tafiditra ao anatin’ireo hazo sarobidy ka mila arovana ireto karazan-kazo mampiavaka ny faritra […]