Namoahan’ny fitsarana ambony didy higadra dimy taona an-tranomaizina ilay raim-pianakaviana nanolana ny zafiny vao sivy taona tao amin’ny kaominina Ambolizana, distrikan’i Toamasina faharoa, omaly. Zanaky ny zanany lahy ity zazavavy kely niharan’ny filàna ara-nofo ity. Napetrak’io zanany io taminy mba handrato fianarana arak’izany ilay zaza. Ny alin’ny 10 aprily hifohy […]
Tranga
Mpivady mpisoloky: vao avy nigadra, voasambotra indray
Tra-tehaky ny polisy ny mpivady nisoloky volan’olona tamin’ny « facebook » ny herinandro teo. Maro no velon- taraina amin’izy mivady, lanin’izy ireo ny vola azony. Tsy mety fay! Saron’ny polisim-pirenena ny herinandro lasa teo ireo mpivady nisoloky volan’olona tany Angarazy, distrika Morombe. Nahita filazana tao amin’ny tambajotra sosialy ireto mpivady ireto ka […]
Ihosy : zaza hita nandeha irery
avy any an-toerana. Nilaza izy fa avy any Masoabe distrikan’i Vohibato raha ny fanadihadiana natao taminy. Tsy nahare fahaverezana zaza varira ny zandary tany an-toerana hatramin’io fotoana io. Ary tsy mbola nisy fitarainana mikasika izany ihany koa. “Tsy mbola fantatra hatreto na avy any Masoabe marina izy na tsia fa […]
Firongatry doro ala : fasana miisa 7 kila forehitra niaraka tamina taolam-paty
Hotohoton’ny afo niaraka tamin’ireo fasana fito ny taolam-balo tao anatiny vokatry ny doro ala tao Ambatomiritika anatin’ny fokontany Sahameloka kominina ambanivohitra Fanandrana disitrikan’ i Toamasina faharoa ny alahady 4 desambra tolak’ andro teo. May ireo razana tao an-davaka ary tsy nisy azo noraisina intsony ny fasana nitafo ravim-potsy. Misy tamin’ireo […]
Zava-mahadomelina: voasambotry ny polisy ireo mpamatsy rongony
Tratran’ny polisy afak’omaly ireo mpamatsy rongony avy ao Analalava sy mivarotra izany eto andrenivohitra. Voasakan’ny polisy teo amin’ ny « barrage » Ankazobetsihay ny taxi-brousse iray mampitohy an’Ambanja sy Antananarivo tamin’io fotoana io. Nahenona fofona rongony ny fitoeran’entana tao ambany seza ka nosavaina. Hita tao anatina sakaosy miisa dimy ireo rongony […]