Tranga

Mpivady niady : vehivavy maty nokapain-drangahy antsy

Voasambotry ny polisim-pirenena, omaly maraina, tao Sambava, ny lehilahy voatondro ho nahafaty ny vadiny. Naharay antso mahakasika ny tranga tao amin’ny fokontany Antanifotsy-Sambava, ny mpitandro filaminana. Nidina teny an-toerana ny polisy sy ny dokotera nijery ny zava-nisy. Misokatra ny fanadihadiana. Vehivavy iray 28 taona, tsy nisy aina intsony no novantanina […]

Fisolokiana : teratany maorisiana sy maraokanina voasambotra

Voasambotra ny mpisoloky efatra mianadahy. Mizaka ny zom-pirenena maorisiana sy marokanina, ary malagasy izy ireo, izay nilaza ho mandefa mpiasa sy mpianatra any Canada. Voasambotry ny zandary ny teratany maorisiana, maraokanina ary malagasy roa, omaly. He­loka anenjehana azy ireo ny fisolokiana fandefasana mpia­sa any Canada. Nahazo fitarainana tamin’ny olona miisa […]

Miandrivazo : vehivavy nangala-jaza voasambotra

Voasambotry ny polisy, ny alatsinainy teo, ilay ramatoa nanao herisetra tamina ankizivavikely 10 taona. Tsy vitan’izay ihany fa misandoka ho renin’ilay zaza mihitsy izy, ka manampatra ny heriny amin’ity tsy manan-tsiny. Araka izany, nahazo angom-baovao ny mpitandro filaminana fa misy zazavavikely niharan’ny herisetra tao Man­garoa Anjiajia, distrikan’i Miandrivazo. Nidina nijery […]

Fenoarivobe : olona sivy nidoboka am-ponja

Manoloana ny vono olona mahatsiravina nahafatesana mpivady avy namboly teny an-tsaha, tao amin’ny kaominina Kiranomena, distrikan’i Fenoarivobe, ny 23 desambra teo. Olona sivy mianadahy naiditra am-ponja vonjimaika taorian’ny fanadihadiana lalina nataon’ny mpitandro filaminana tao an-toerana. Raha tsiahivina, nifamaly tamin’ireo mpivady ireo ny zanaky ny rahalahin-drain’izy ireo. Noho ny tsy fifankazahoana […]

Ambodimanga : jiolahy nahatrarana entana halatra sy vola 2 tapitrisa Ar

Voasambotry ny polisy ao amin’ny kaomisarian’An­ta­ninandro (CSP3) teny Besa­rety Ambodimanga, afakomaly, ny jiolahy iray mbola tsy ampy taona. Voarohirohy ho tompon’antoka tamina halatra izy, raha ny tatitra nampitain’ny polisy. Naharay antso tamin’ireo olona teny amin’ny manodidina ny polisy, noho ny fisiana tovolahy iray mampiahiahy mihaodihaody eny amin’iny faritr’i Besarety iny. […]