Nitrangana fanafihan-dahalo tao amin’ny fokontany Ampandrabe, kaominina Ankilizato, distrikan’i Mahabo, omaly. Niditra an-keriny nandroba omby miisa valo teo an-toerana ny andian-dahalo nirongo basy. Vokany, raim-pianakaviana iray 36 taona teo no maty voatifitra tao an-tranony tokony ho tamin’ny 02 ora maraina. Vita izay, norobain’ireo olon-dratsy ny omby. Ankoatra izay, lavon’ny polisy […]
Tranga
Niady tao amin’ny kariera : lehilahy maty nolerana zava-maranitra
Potika ny lohany sady trobaka ny kibony, hita faty tao amin’ny kariera iray ao Ambatofinandrahana ny lehilahy iray, ny talata lasa teo. Nifanenjehana ireo namono azy. Nolerana zava-maranitra teo amin’ny valahany sy notontaina vato teo amin’ny lohany, namoy ny ainy vokatry ny ratra nahazo azy ny lehilahy iray tao amin’ny […]
Mananjary : mpamily tratran’ny torimaso fotsy namoa-doza
Nitrangana lozam-pifamoivoizana iray tao amin’ny lalam-pirenena faha-25, omaly tamin’ny 12 ora alina. Miisa sivy ireo olona tao anatin’ny fiara, tsy nisy ny naratra ary tsy nisy ny namoy ny ainy. Niseho teo amin’ny PK 159+600m, eo amin’ny fokontany Manakana, kaominina Tsarafahatra, distrikan’i Mananjary ny loza. “Tratran’ny torimaso fotsy ny mpamily […]
Vangaindrano : dahalo nanafika tanàna matin’ny fokonolona
Matin’ny fokonolona ny lehilahy iray avy nanafika tokantrano iray ao Mahavelona afakomaly. Tokantrano iray efa notafihin’izy ireo no niverenany tamin’io fotoana io. Notafihin’olon-dratsy ny tokantrano iray ao Mahavelona, kaominina Renivohitra, distrikan’i Vangaindrano afakomaly. Niantso vonjy ny tompon-trano antsoina hoe Bovin rehefa tafiditra tao an-trano ity jiolahy ka nivoaka namonjy azy […]
Ambatofinandrahana : basy mahery vaika roa naterina teny amin’ny zandary
Mitohy ny ady hisorohana ny tsy fandriam-pahalemana amin’ny alalan’ny tagnamaro ataon’ny zandary. Basy roa mahery vaika indray no tafaverina. Fitaovam-piadiana roa mahery vaika indray no naterin’ny tsara sitrapo teny anivon’ny zandary tao amin’ny fokontany Ambatolahy, kaominina ambanivohitra Ambondromisotra, distrikan’ Ambatofinandrahana, ny 02 janoary teo. Miady amin’ny asan-jiolahy sy fanatanterahana ny […]