Mbola mitohy ny famotorana ny raharaha momba ilay lehilahy nangalatra fanitso tamina tsena iray teny Ivandry. Omaly tokony ho tamin’ny 06 ora maraina teo, naharay antso mahakasika ity tranga ity ny polisy miasa eny Soavimasoandro. Voalaza tamin’izay fa nahatratra mpangalatra ny fokonolona eny Ivandry. Vokany, nidina vonjimaika teny an-toerana ny […]
Tranga
Antanimora : naverina am-ponja i Mahery Lanto Manandafy
Dimy andro monja, taorian’ny nivoahany ny fonjan’Antanimora! Nosamborina sy naiditra am-ponja indray i Mahery Lanto Manandafy na i Malama, omaly antoandro. Naverina eny Antanimora i Manandafy Mahery Lanto (Malama) taorian’ny fivoahany ny fonja ny 31 desambra teo. Enjehina mikasika ny raharaha tamin’ny 17 desambra 2020, tany Toamasina izy. “Maty ny […]
Nanenjika vorona : tovolahy iray natelin’ny rano tao Ambalamanasy
Tovolahy iray mpianatra ao amin’ny sekolin-dry Masera ao Tanamakoa Toamasina no natelin’ny rano tao Ambalamanasy, ny alatsinainy teo, rehefa nandeha nitifitra vorona. Raha ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana, nanao fialan-tsasatra tao amin’ ny raibeny ao Ambalamanasy ity tovolahy ity ka nanenjika vorona teny rehetra teny. Nanidina moramora nanatona moron-drano […]
Faran’ny taona sy taom-baovao : nahazo vahana ny tsatok’ antsy tao Toamasina
Fety tsy ialana loza ! Nanjaka tanteraka ny tsatok’antsy sy vonoan’olona, tao Toamasina, nandritra ny fetin’ny faran’ny taona sy ny fiandohan’ny taona Nilamindamina ny fiatrehan’ireo mpiasan’ ny fahasalamana ny fiandrasan-draharaha tao amin’ ny sampana vonjy taitran’ny Hopitalibe Toamasina, ny alin’ ny 31 desambra 2022 sy ny taom-baovao 2023. Nahazo vahana […]
Halatr’omby : dahalo matin’ny fokonolona
Tratran’ny fokonolona ny dahalo iray nikasa hangalatr’omby tao amin’ny fokontany Fierena, kaominina Antambohobe, ny alin’ny voalohan’ ny taona teo. Teo am-pamoahana omby miisa enina ana tokantrano iray ity jiolahy ity no hitan’ny fokonolona ka raikitra ny fifanenjehana. Nanohitra sy niezaka ny handositra ity dahalo ka voatery namono azy ny fokonolona, […]