Miseholany ny trangana fakana an-keriny! Vehivavy roa sy lehilahy iray indray nalain’ny olon-dratsy takalonaina tao Babangy, fokontany Mamavo, kaominina ambanivohitra Brieville, distrika Tsaratanana, ny zoma 12 septambra teo. Niditra an-keriny tao amin’ny tokantrano iray ny jiolahy dimy nitondra Kalachnikov. Nanambana fitaovam-piadiana ny tompon-trano ny mpandroba, tamin’ny 9 ora alina. Nitaky […]
Tranga
Lasa ny taolan-dava… : naparitak’ireo jiolahy ny razana tao am-pasana
Fahasahiana! Izay no azo ilazana ny fihetsika nasehon’ireo olon-dratsy tompon’antoka tamina vaky fasana tao amin’ny toerana antsoina hoe Ambodihasina, fokontany Ambahivahikely kaominina ambanivohitr’Anketrakabe, distrikan’Antsiranana II, ny sabotsy 14 septambre 2024 teo. Nahazo antso avy amin’ny sefo fokontany Ambahivahikely ny zandary momba ny fahavakisan’ny fasana iray ao amin’ny faritra iadidiany. Nidiran’olon-tsy […]
Nikasa hivarotra olona: mpangala-jaza tratra teny Mahitsy !
Voasambotry ny zandary ny mpangala-jaza teny Mahitsy Ambohidratrimo. Miisa telo mianadahy izy ireo saika hivarotra ankizy, izay efa nifampitadiavan’ny fianakaviany. Telo mianadahy voasaringotra tamin’ny raharaha hala-jaza niseho tao amin’ny distrikan’Ambohidratrimo, ny 13 septambra teo. Naharay fitarainana ny zandarimaria miasa ao an-toerana fa hita any amin’ny vehivavy iray tao amin’ny fokontany […]
Ambanja : olona 22 nikasa hiondrana antsokosoko
Tsy mety fay mihitsy! Teo am-pikasana ny hiondrana antsokosoko hihazo an’i Mayotte indray ireo olona 22 no nifanehatra tampoka tamin’ny zandary tao Ambanja, afakomaly misasakalina. Nahazo loharanom-baovao ny vondron-tobim-paritry ny zandarimaria Nosy Be sy Ambanja momba ny fisian’ireo andian’olona mikasa hiondrana antsokosoko mandeha sambo haingam-pandeha voalaza fa hihazo an’i Mayotte. […]
Ankasina : tranohazo sy ozinina indray kilan’ny afo
Ny akanjo teny an-koditra sisa! Kilan’ny afo ireo tranohazo ahitana tokantrano valo, teny Ankasina, omaly tolakandro tamin’ny 3 ora sy 15 mn. Voalaza fa noho ny tandrevaka tao amina tokantrano iray no nitarika ny firehetana. Misy ozinina mpanao fanaka, mpikirakira bateria, mpanao vato, teo amin’ity toerana levon’ny afo ity. Tampoka […]