Nanaraka dahalo mpangalatr’omby, lavo nandritra ny sakoroka ny zandary iray sy ny olon-tsotra iray tao amin’ny fokontany Mariarano, kaominina Ankirihitra distrikan’Ambatoboeny, afakomaly. Nitondra omby 16 avy any Mahatsinjo, fokontany Anjiakely kaominina Madirivalo ireo dahalo nitam-piadiana. Nanao fidinana ifotony ny zandary raha nahare izany. Tao anatin’ny sakoroka anefa, lavo ny mpanara-dia […]
Tranga
Andohatapenaka: roa lahy mivarotra taolam-paty
Saron’ny polisy avy ao amin’ny CSP7 ny roa lahy nitondra taolam-paty tetsy amin’ny fiantsonan’ny taksibrosy Andohatapenaka, afakomaly vao maraina. Avy any Toamasina ireto entana ireto ary nokasain’izy roa lahy amidy efatra hetsy ariary ny kilao. Iraka ihany anefa izy ireo, araka ny famotrana nataon’ny mpitandro filaminana azy. Nokaramain’ny tompon’entana dimy […]
Fandefasana mpiasa any Maorisy: nalefa eny Antanimora ilay mpisoloky, rehefa nahazo vola 24 tapitrisa Ar
Naiditra am-ponja vonjimaika, ny alatsinainy teo, ilay lehilahy mpisoloky olona milaza fa afaka mandefa hiasa atsy amin’ny Nosy Maorisy. Efa nahazo vola hatramin’ny 24 tapitrisa Ar izy tamin’io asa ratsiny io. Naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora, miandry ny fotoam-pitsarana azy ilay mpisoloky gagilahy nahazo hatramin’ny 24 tapitrisa Ar. Voasambotry ny […]
Ivato: Bar iray nahitana fonosana rongony maro
Voasambotry ny polisy, omaly tolakandro, ilay lehilahy mpivarotra rongony amina bara eny Ivato. Naharay fitarainana mahakasika izany ny polisy ka nidina ifotony teny an-toerana. Vokany, tra-tehaka tamin’io fotoana io ny rongony 16 fonosana. Noentina teny amin’ny polisy avy hatrany ilay lehilahy tao an-toerana. Nambarany nandritra izany fa vehivavy iray no […]
Haondrana an-tsokosoko : sarona ny « corail noir » 80 kilao
Taksiborosy iray nitondra akorandriaka mainty “corail noir” milanja 80 kilao no tra-tehaky ny zandary mpanao sakan-dalana tao Antsirabe, afakomaly. Tokony ho tamin’ ny 11 ora sy sasany alina teo, voasakana teo Vinaninkarena ilay fiara ka voasava avy hatrany. Nandritra izay, tra-tehaka tao anaty valizy miisa roa teny ambony fitoeran’entan’ilay fiara […]