Araka ny didim-pitantanana “ordonnance” laharana faha 191-CC/CAT/Toa/22 nosoniavin’ny filoha voalohany misahana ny sampam-pitsarana eo anivon’ny fitsarana Ambony Toamasina, nisokatra ny 5 desambra 2022 ny fotoam-pitsarana andiany faharoa ho an’ny “cour criminelle ordinaire, cour criminelle special aggravée de Toamasina. Voakasik’izany ireo toerana misy fitsarana ambaratonga voalohany anatin’ny faritany Toamasina, Ambatondrazaka, Moramanga, […]
Tranga
Zandary sandoka: nandoro olona velona tamin’ny lasantsy
Loza tsy roa aman-tany ny niseho tao Sandrandahy distrika Fandriana. Lehilahy nisandoka ho zandary no nandoro olona velona, ny alahady teo. Ankehitriny, voasambotra ilay mpisandoka ho zandary voatondro ho nanao izany. Atao fanadihadiana izy ary hiakatra fampanoavana tsy ho ela. Ny alakamisy teo, very ny lakolosim-piangonana katolika iray ao Amboaimena. […]
Andriambilany : mpitondra scooter maty tsy tra-drano
Nandeha mafy loatra ! Maty teo noho eo ny mpitondra moto scooter iray teny amin’ny lalam-pirenena fahafito PK 59 + 020 teo amin’ny tanànan’Amboniriana, kaominina Andriambilany, distrikan’ Ambatolampy, omaly. Niditra fiolanana teo amin’io toerana io, tsy voafehin’ny mpitondra azy ny familiana ka nisosa nanaraka ny arabe ilay moto. Tsy tafarina , […]
Seranam-piaramanidina Ivato: nidoboka am-ponja ireo mpibata entana roa lahy
Tsy fantatra mazava raha toa ka lonilonin’ny namany na vokatry ny halatra nataony, roa lahy indray nigadra noho ny halatr’entana tetsy Ivato. Niakatra fampanoavana, nidoboka am-ponja vonjimaika avokoa ireo roa lahy voasaringotra tamina fangalaran’entana mpandeha iray teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, omaly. Nanao fitarainana teo anivon’ny zandary ao Ivato ny mpandeha […]
Tatitry ny BNGRC: 33 ireo maty, 20 ireo tsy hita popoka
Miisa 33 ireo olona maty vokatry ny rivodoza Cheneso teto amin’ny Nosy. Mahatratra 20 ireo tsy hita popoka tao anatin’izany raha ny tatitra navoakan’ny BNGRC ( birao nasionaly misahana ny fitantanana ny loza), omaly. Mahatratra 90.870 ireo olona traboina manerana ny Nosy. Mitsinjara amin’ny faritra 17 ny 20.980 amin’izy ireo. […]