Lasan’ny jiolahy ny vola mitetina 1 200 000 Ar, an’ny renim-pianakaviana iray tao Amborovy, kaominina Mahajanga, ny alahady 12 janoary, teo. Avy nivarotra, namonjy ny lalana fodiany toy ny mahazatra ilay ramatoa mitondra vohoka. Nitondra moto izy. Narahin’ny olon-dratsy anefa, voavelin’ny hazo tampoka avy aoriana io vehivavy io. Niongana teny ambony moto, […]
Tranga
Avotra ilay zazavavy: mpaka an-keriny roa voasambotra
Voasambotry ny mpitandro filaminana ny mpaka an-keriny roa lahy tao Amboasary Atsimo, ny 11 janoary teo. Nitondra fitaovam-piadiana, nentin’ireo olon-dratsy ilay zazavavy, tamin’io andro io, tao amin’ny fokontany Maroasara, kaominina Amboasary Atsimo. Tsy mbola nitaky lelavola tamin’ny fianakavian’ilay zazavavy nalainy an-keriny ireo olon-dratsy, araka ny loharanom-baovao. Taorian’ ny tranga fakana […]
Varo-maizina: roa lahy nahatrarana sokatra 24 sy rongony 10 gony
Zana-tsokatra ahina ho lany tamingana miisa 24 sy rongony 10 gony indray saron’ny zandary tao anatin’ny fiara tsy mataho-dalana, tao Betioky-Atsimo, ny 12 janoary teo. Roa lahy voasambotra. Karazan-tsokatra fantatra amin’ny anarana siantifika “Astrochelys Radiatas” tra-tehaky ny zandarimaria teny amin’ny lalam-pirenena fahafolo, tao Andohasatra, kaominina Tameantsoa, distrika Betioky Atsimo, ny […]
Taksiborosy nivadika: olona 17 naratra mafy
Nitrangana lozam-piarakodia, taksiborosy iray hafa koa, teny amin’ny RN 4, PK 299+800, tao Ambodimanga/Beanana distrika Maevatanàna, ny sabotsy tolakandro teo. Taksiborosy hihazo an’Antsiranana ity niharan-doza ity vokatry ny fifandonana tamina fiara 4×4 iray teo ambony tetezana. Nilatsaka tany ambany tetezana ilay taksiborosy taorian’izay. Tandrevaka teo amin’ny mpamily, araka izany, no […]
Analakely: trano telo kilan’ ny afo
Nitrangana haintrano mahatsiravina teo Analakely, boriborintany voalohany, ny sabotsy 11 janoary maraina teo. Vao mangiran-dratsy, nidonan-tsetroka ka vetivety nivadika afo. Naharay antso ny avy eo anivon’ny Vondron’ny mpamonjy voina tamin’ny 3 ora maraina sy 14 minitra maraina. Nirehitra ny trano lehibe iray eo Analakely, anoloan’ny Lycée J J Rabearivelo. Telo […]