Tafiditra anatin’ny hetsika ataon’ny zandary ny mandrava tambajotrana mpangalatr’omby eto amin’ny Nosy. Nisy, araka izany, voasambotr’ireo zandary miasa ao amin’ny distrikan’i Mahitsy. Ny 12 novambra teo, nisy namoaka ireo omby telo tao am-pisoko tao amin’ny fokontany Ankeniheny Alarobia, kaominina Mananjara. Natao ny vela-pandrika. Natomboka ny fanarahan-dia sy ny angom-baovao rehetra. […]
Tranga
Varotra rongony: mpamatsy mpianatra tra-tehaky ny polisy
Voasambotra taorian’ny vela-pandriky ny polisy ilay lehilahy isan’ireo mpivarotra rongony amin’ny mpianatra eto an-drenivohitra. Tratra, afakomaly tolakandro, teny Ambohijatovo izy rehefa nahazoana fitarainana maro samihafa. “Isan’ireo mpamatsy rongony amin’ireo mpianatra manodidina ny sekoly eny Amparibe, Mahamasina sy Ampefiloha sy ny manodidina ity lehilahy ity”, hoy ny polisim-pirenena. Vokany, mitaraina mafy […]
Toamasina: mpanao gazety voatrobaka antsy
Tsy mandry fahalemana i Toamasina. Lasibatra ny mpanao gazety iray miasa amina fahitalavitra tsy miankina manana foibeny tao Antananarivo miaraka amina vady aman-janany indray, ny alatsinainy 21 novambra, teo anoloan’ny tsenan’ Ambolomadinika tokony ho tamin’ny 6 ora sy 30 minitra. Nivoaka kely ny tokantranony izy telo mianaka mba hampiasa vantana […]
Fivarotan-tena ana habaka: vehivavy telo nalefa eny am-ponja
Naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora ireo vehivavy telo voalaza ho mampiasa tovovavy amin’ny asa mamoafady ana habaka. Mbola hokarohina sy hosamborina ihany ireo tambajotra minia mbola manao izany. Naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora ireo vehivavy miisa telo voasaringotra amin’ny fampivarotan-tena ankizivavy. Herinandro vitsy lasa izay, nahazo vaovao momba ity asa […]
Alakamisy Fenoarivo: lehilahy iray maty tampoka tao anaty hotely
Maty tampoka tao anaty hotely tetsy Alakamisy Fenoarivo ny raim-pianakaviana iray, ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy teo. Niaraka tamin’ny sakaizany, nisafidy hamita ny alina tao amin’io hotely fandraisam-bahiny io izy roa ireo. Nandritra ny alina, nanao ny fanaon’ny mpifankatia izy ireo. Kinanjo noho ny akaiky marain’ny alatsinainy, nitambotsotra tampoka ralehilahy. […]