Hita faty tao anaty lavaka fihadiana volamena ny raim-pianakaviana iray, 45 taona, ny sabotsy teo. Nanaitra ny manodidina ny fofona hafahafa… Hita faty tao anaty lavaka fiadiana volamena ny raim-pianakaviana iray, 45 taona, ny sabotsy teo. Nanaitra ny manodidina ny fofona hafahafa… Raim-pianakaviana iray, 45 taona, maty an-drano tao anatina […]
Tranga
Andrainjato – Fianarantsoa: efitra 12 ravan’ny afo, mpianatra 260 tra-boina
Naharitra adiny roa ora mahery ny famonoana ny afo nataon’ny mpamonjy voina tao amin’ny trano fonenan’ny mpianatra Cité Prefat N ao Andrainjato Fianarantsoa, afakomaly. Niantomboka tamin’ny efitrano iray ny firehetana, tamin’ny 9 ora alina. Niitatra tao anatin’ny minitra vitsy monja tamin’ireo efitra nifanila taminy izany. Nikoropaka samy namoaka izay entana […]
Mamo am-perinasa : Miaramila kaporaly nitifitra nahafaty olona
Maty tsy tra-drano ny raim-pianakaviana iray notifirin’ny miaramila kaporaly tao Fiadanana, kaominina ambanivohitr’i Sarobaratra Tsaratanàna, ny voalohan’ny volana janoary teo. Mamo teo am-perinasa izy ka norarafany tifitra ilay niharam-boina. Nisahana fiambenana banky iray ao Bekapaika ity miaramila kaporaly nitifitra nahafaty olona ity. Nahazo fampitam-baovao avy amin’ny filohan’ny Dina ny zandary […]
Ambohidahy Ankadindramamy : Fatin’olona natsikafin’ ny honahona
Tsy nisy namantarana azy intsony, fatin’olona iray natsingevan’ny honahona teny amin’ny fokontany Ambohidahy Ankadindramamy, omaly maraina. Mpandalo no nahatsikaritra ny fisian’io tranga io. Niantso ny manodidina, nozahana kinanjo fatin’olona efa nibontsina sy simba tanteraka io hitan’izy ireo io. Niantso ny tomponandraikitry ny fokontany avy hatrany izy ireo. Nigadona teny an-toerana […]
Vokatry ny hasarotam-piaro : Lehilahy namono tena, nanapaka ny tendam-badiny
Notapahin-drangahy ny tendan’ny tovovavy iray vao 20 taona, nanao tokantrano imaso taminy. Voalaza ho anton’izany ny hasarotam-piaro. Namono tena koa izy avy eo. Maty novonoim-badiny ny tovovavy iray vao 20 taona, tao amin’ny tanànan’Antanananivo Isokitra, fokontany Andravinambo, Antsirabe Avaratra, ny atoandron’ny voalohan’ny volana janoary. “Ren’ny manodidina nifamaly izy mivady ireo […]