Nametraka ny fitaovam-piadiany ka nitolo-batana tao amin’ny zandary, afakomaly, ireo Zazafotsy 33. Manoloana ilay raharaha Zazafotsy tao amin’ny kaominina ambanivohitr’Anjiajia sy Manerinerina, distrikan’ Ambatoboeny, nanatanteraka hetsika manokana “Jaboady” ny zandary ao an-toerana mba hamerenana ny fandriampahalemana. Mandritra ny 15 andro ny hanaovana ity hetsika ity, taorian’ny fivoriana niarahana tamin’ny OMC. Nodinihina tamin’izany […]
Tranga
Ilaka Centre : Taksiborosy nivadika, olona 11 naratra
Olona 11 indray naratra! Io no vokatry ny lozam-piarakodia nitranga tao Begoaika fokontany Soavina kaominina Ilaka Centre Pk 228 + 60, omaly tamin’ny 3 ora sy 05 mn maraina. Naharay antso ny zandary misahana ny fanaraha-maso ny lalam-pirenena fahafito (RN7) fa nisy fiara mpitatitra olona an’ny kaoperativa iray mampitohy an’Antananarivo […]
Distrikan’i Morombe : lehilahy nesorina voamaso hita faty natsingevan’ny rano
Natsingevan’ny ranomasina, tsy nisy aina intsony ny lehilahy iray, hita tao Ambolomoky-Andavadoaka, kaominina Befandefa, distrikan’i Morombe, afakomaly. Hanarato, hataraina ny an’ny mpanarato iray raha nahita vatana mangatsiaka natositosiky ny ranomasina. Niantso ny manodidina izy. Nosintonina tao anatin’ny rano io vatan-dehilahy io. Lehilahy iray atao hoe Alexis, mipetraka ao amin’io tanàna […]
Naiditra am-ponja… : lehilahy tratra nangalatra vary iray gony
Na dia noana aza ve…? Naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjan’Ambatolampy ny lehilahy iray tratra namaky trano, tao amin’ny fokontany Ambanimaso, kaominina ambonivohitr’Ambatolampy, ny faran’ny herinandro teo. Tafiditra tao an-trano tokoa ity jiolahy ity ka lasany ny vary iray gony 50 kg nipetraka tao an-trano. Lasa nitsoaka avy hatrany izy […]
Fandrobana amin’ny RN5 : 6 mianadahy mpamaky kamiao voasambotra
Miseho lany tao anatin’ny andro vitsy ny famakiana fiara kamiao mitatitra entana amin’ iny lalam-pirenena fahadimy iny. An-tapitrisany ny entana voaroba anatin’ireo kamiao lasibatra rehefa mandalo amin’ ny lalan-dratsy. Enina mianadahy voasambotra vokatry ny hetsika ataon’ny mpitandro filaminana. Maka entana amin’ny gony hatramin’ny moto anaty kamiao, saron’ny mpitandro filaminana ny […]




