Natolotra ny fampanoavana ka naiditra am-ponja ireo jiolahy voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fanafihana tao amin’ny Oniversite Farafangana. Raha ny tatitra nampny polisy, ny 2 mey 2023 alina, tao Bevoa Farafangana, fokontany Mahatsara Atsimo, nahazo antso avy amin’ny tomponandraikitra ao amin’ny oniversite ao Farafangana ny polisy fa misy olon-dratsy tafiditra ny […]
Tranga
Efa nahazo 10 m: jiolahy tratra teo am-panapahana taribin-jiro
Tsy eto an-drenivohitra ihany! Nahatratra jiolahy iray teo am-panapahana taribin-jiron’ny Jirama ny zandary raha sendra nanao fisafoana tampoka tao amin’ny fokontany Ampasikibo/ Toliara I, ny alahady alina tamin’ny 11 ora. Nosamborina avy hatrany ity jiolahy ity, hita nandritra ny fisavana azy ny famaky iray niaraka tamin’ny kitapo nisy taribin-jiro mirefy […]
Sabotsy Namehana : tratra nivarotra rongony i Papelika
Efa mpivaro-drongony mampitaraina ny manodidina, voasambotry ny mpitandro filaminana teo amin’ny fihantsonan’ny taksibrosy, Sabotsy Namehana, i Papelika, omaly. Ataony anaty fonosana am-polony ny rongony amidiny. Jifain’ireo mpidoroka amin’ny sarany 500 Ar hatramin’ny 5 000 Ar izany. Naharay fitarainana tamin’ny olona manodidina tsara sitra-po ny mpitandro filaminana. Nanao vela-pandrika, tra-tehaka teo […]
Valifaty : notsatohana antsy rangahy, ramatoa nohidina tanaty trano fivoahana
Valifaty! Nitrangana vonoan’olona feno habibiana indray teny Ambohitrony Ambohimanambola, afakomaly alina tamin’ny 8 ora. Raim-pianakaviana iray maty notsatotsatohan’ny jiolahy ny antsy tao an-tranony. Nahitana ratra teo amin’ny lohany, ny tendany ary ny kibony. Araka ny fitantaran’ny vadiny, roa lahy no niditra an-keriny tao an-trano, tamin’io fotoana io. Talohan’ny namonoana ilay […]
Hetsika Tselatra : Lavo i Parfait dahalo raindahiny
Anisan’ny maty voatifitra ny lehiben’ny dahalo antsoina hoe Parfait. 20 lahy, nitondra fitaovam-piadiana ireo dahalo. Hihazo ny kaominina ambanivohitra Mahavelona Ankazobe ireo miaramila manao hetsika. Nifanehitra tampoka tamin’ireo olon-dratsy izy ireo. Raikitra ny sakoroka tao amin’ny fokontany Andriantsampana, kaominina ambanivohitra Mahabe, distrikan’Ambohidratrimo, ny 9 mey tamin’ny 5 ora maraina. Nifampitifitra […]




