Niakatra fampanoavana, nidoboka am-ponja vonjimaika ny lehilahy iray mpisoloky, voasambotry ny polisy ao amin’ny DSRP Menabe, afakomaly. Mitondra vato hosoka ny lehilahy roa ka mitady mpanakalo izany. Nokasain’ ireo mpisoloky ireo hatakalo rojo volamena tena izy ireto vato hosoka teny aminy. Noresen’izy ireo lahatra ny tompon’ilay volamena. Tonga hatramin’ny filazana […]
Tranga
Tovovavy voaolana : notrobarana hazo sy vava basy ny fivaviany
Niharan’ny herisetra nataona manam-pahefana ao amina kaominina iray anatin’ny distrikan’i Vangaindrano ny tovovavy iray, ny alahady 2 avrily teo. Zazavavy mbola mpianatra no niharan’ny fanolanana mahatsiravina nataona lefitry ny ben’ny Tanàna iray ao Bevaho, anatin’ny distrikan’i Vangaindrano, ny 10 mey teo. Kilasa T9 ity zazavavy ity. Ny alin’ny alahady 02 […]
Tsiadana : jiolahy roa maty voatifitry ny polisy
Tokantrano iray saika niharan’ny fanafihana mitam-piadiana , omaly alina , tetsy Tsiadana. Nifanehitra tamin’ ny polisy mpanao fisafoana teny an-toerana ny jiolahy roa. Nandositra avy hatrany izy ireo rehefa nahita ireo mpitandro filaminana. Raikitra taorian’izay ny fifanenjehana sy ny fifandonana teo amin’ny roa tonta. Nirefodrefotra ny basy ary namaly tifitra […]
Roa lahy naiditra am-ponja… : cybercafé tratra nanao taratasy hosoka fanaovana pasipaoro
Natolotra ny fitsarana, omaly, ka naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora ireo roa lahy mpitantana Cybercafé iray eny Tanjombato, voarohirohy ho tompon’antoka tamina taratasy hosoka fanaovana pasipaoro. Voasambotry ny polisy avy amin’ny «Service central des enquêtes spécialisées» (SCES) Anosy, ny zoma lasa teo, izy roa lahy. Tonga tao amin’ny biraon’ny polisy […]
Lasa ny kidoro… : mpamaky trano 15 mianadahy voasambotra
Jiolahy mpamaky trano 15 mianadahy voasambotra tao Sambava, omaly. Nanao hetsika nandritra ny telo andro ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Nitrangana vaky trano matetika tao amin’ny fokontany Ambodisatrana-Antanifotsy-Ambiha. Niara-nientana ny andrimasom-pokonolona. Nahitam-bokany avy hatrany izany. Nahatrarana entana halatra fampiasa ao an-dakozia izy 15 mianadahy. Nahitana kidoro sy bisikileta tao amin’ireto […]




