Naiditra am-ponja etsy Antanimora, afakomaly, ny lehilahy iray mpisoloky. Efa nanambaka olona tany amin’ny faritany izy. Nifarana hatreo ny asa ratsiny, rehefa voasambotra. Nanomboka tany Farafangana sy Fianarantsoa, maka vola amin’ny olona sendra azy izy ka milaza ho mahatafiditra mpiasam-panjakana. Anisan’ny handrobohany ny lasibatra ny filazany fa mahafantatra olona ao […]
Tranga
Belaoko Lokoho: tratra ireo mpifankatia namono olona
Voasambotry ny polisy avy ao Andapa ny mpifankatia voarohirohy tamin’ilay raharaha vonoan’ olona tao Andapa, ny sabotsy maraina teo. Naharay vaovao ny polisy fa nisy vono olona tao amin’ny fokontany Ambahakarabo kaominina ambanivohitr’i Belaoko Lokoho distrikan’Andapa, tamin’io fotoana io. Nidina tao an-toerana ny polisy nanao ny fizahana ny razana sady […]
Ankoatra ny mangahazo… : latsaka ny basin’ireo dahalo voatifitra
Nirefodrefotra indray ny basy tao Tanandava, ny zoma teo. Nandeha nisafo kizo sy fandehanan’ny rano hanondrahana tanimbary midadasika ao Antranofoty ny zandary sy ny fokonolona vitsivitsy ao an-toerana niaraka tamin’ny sarety. Rehefa niverina nody anefa izy ireo teny Mirohaky, nisy nanakana ny sarety nitondra azy ireo. Dahalo dimy lahy no […]
Zava-mahadomelina : taksibrosy nahatrarana rongony 5 gony
Sarona tao amina fiara mpitatitr’olona, mampitohy an’Ambanja sy Mahajanga, ny rongony 150 kg, omaly. Nafenina tao anaty gony maromaro, nokasain’ny tompony hamidy any Mahajanga ireto entana ireto. Sendra ny mpitandro filaminana nanao fisavana teny amin’ny lalam-pirenena ny fiara nitatitra izany. Voasakana, tra-tehaka tao anaty taksibrosy ny gony miisa 5 feno […]
Ambondrona – Mahajanga: taolam-paty hita tao anaty kirihitra
Narian’ny olona tsy fantatra, taolam-paty am-polony tao amin’ny fokontany Ambondrona – Potomainty, ny sabotsy 06 mey teo. Renim-pianakaviana iray sendra nandalo no nahatsikaritra ny fisian’io tranga io. Nampandre avy hatrany ny tomponandraikitra ao an-toerana izy. Nidina ifotony ireto farany nanamarina ny zava-misy. Nipetraka anaty kirihitra ny taolan-dava maromaro. Tsy fantatra […]




